[FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA NY 07 DESAMBRA 2019 TAMIN'NY 10 ORA MARAINA]
Lasa Cyclone Tropical i BELNA izao maraina izao.
Tamin’ny 09 Ora teo dia:
✅Any amin’ny 370 Km Avaratra somary Avaratra Andrefan’Antsiranana na 426 Km Avaratra somary Avaratra Andrefan’ny Nosy be no misy ny foibeny.
✅Niakatra ho 120 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 170 Km/ora.
✅Mikisaka mianatsimo Andrefana ny diany ka mahafaka 11 Km/ora.
✅Hitombo hery hatrany izy ato anatin’ny 02 andro ho avy ka mety ho lasa Cyclone Tropical Intense.
✅Tsy miova ny tombana fa dia manambana ny tapany Avaratra Andrefan’ny Nosy izy ka vinavinaina hiditra antanety amin’ny Morotsiraky BOENY ny harivan’ny Alatsinainy 09
Desambra 2019
Noho izany dia miova ho toy izao ny filazana loza :
📒Miloko Mavo : Nosy be, Ambanja, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony,BOENY, MELAKY;
📗 Miloko Maintso : Antsiranana I-II, Ambilobe, Bealalana, Befandriana Nord,Mandritsara, BETSIBOKA, BONGOLAVA, Antsalova ary MENABE.
Entanina araka izany ny mponina mba hanaraka tsara ny toromarika omen’ny Manam-
pahefana eny ifotony.
Ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka Avaratra manontolo dia entanina mba tsy hiandriaka intsony hihamafy ny fitsoky ny rivotra.
Manasa antsika hizara ny vaovao
~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~
[BULLETIN CYCLONIQUE SPECIAL DU 07 DECEMBRE 2019 A 10 HEURES LOCALES]
BELNA s’est intensifié en Cyclone Tropical.
✅Son centre est positionné à 09 heures locales à 370 Km au Nord-Nord-Ouest d’Antsiranana ou 426 Km au Nord-Nord-Ouest de Nosy be.
✅Elle se déplace vers le Sud-Ouest à 11 Km/h.
✅Le vent moyen monte à 120 Km/h avec des rafales de 170 Km/h.
✅Ce rythme d’intensification est prévu se maintenir dans les deux prochains jours l’amenant au stade de Cyclone Tropical Intense. Il est prévu atterrir sur la côte de BOENY dans la soirée du Lundi 09 Décembre 2019.
En conséquence, le niveau d’alerte est modifié comme suit :
📒 Alerte Jaune : Nosy be, Ambanja, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony, BOENY, MELAKY;
📗 Alerte Vert : Antsiranana I-II, Ambilobe, Bealalana, Befandriana Nord, Mandritsara, BETSIBOKA, BONGOLAVA, Antsalova ary MENABE.
Les populations menacées sont priées de suivre attentivement les consignes émises par les Autorités locales.
Les usagers maritimes des côtes Nord sont priés de ne plus s’aventurer en mer car le vent se renforcera progressivement.
On vous invite de partager l'info ... TohinyFintinina
1 andro lasa