Ambohibao – Fetimpirenena soisa 1.8.2019 – Marc Ravalomanana manome ny heviny

Tokony hanaja ny lalàna fotsiny. Rehefa lalàna dia lalàna. Izay no tena hisian’ny mpanohitra sy ny hampiarana ny demokrasia, mba hahafahana milaza ny marina, hanaja ny lalàna, hanaja ny “constitution”, hanaja ny zon’olombelona.

Ny vahoaka dia mahatoky fa hanana ny maha-izy azy ity fifidianana ben’ny tanàna ity.

Izaho nahita ny tena marina tany amin’ny Union Européenne. Fantatro ny tena marina tamin’ny “présidentielles”. Fa mampalahelo sy mahamenatra, mahatezitra sy mahasosotra satria any ivelany indray no mahalala ny tena misy.