Amina EPP tsisy parking 786 dia mpianatra 1.938.365 any atsimon’ny Nosy no misitraka sakafo an-tsekoly

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo – EPP miisa 786 misitraka fandaharan’asa fampisakafoanana an-tsekoly

Aly

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny mpianatra ambaratonga voalohany eto amintsika, ny Fandaharan’asa Erantany momba ny Sakafo, na PAM no dia manohana ny fandaharan’asa fampisakafoanana an-tsekoly na cantine scolaire.

Mahatratra 786 ireo EPP amin’ny faritra telo any atsimon’ny Nosy no misitraka ity fandaharan’asa ity, izay ahitana mpianatra miisa 1.938.365, araka ny tombana natao ny taona 2018.

Sakafo be otrikana, vitamina, hery fiarovana, hery hoenti-miasa, no anisan’ny entin’ny sakafo an-tsekoly omen’ny PAM amin’ny ambaratonga voalohany any atsimon’ny Nosy izao.

Efa maherin’ny 30 taona ity fandaharan’asa ao anivon’ny Firenena Mikambana PAM ity no manohana ara-tsakafo an’i Madagasikara, ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly ny mpianatra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fametrahana ny tetikasa fampisakafoanana an-tsekoly.