MBA JEREO NY FAMPIANARANA

Tsy laharam-pahamehana ary ve ny fampianarana,
Ary moa tsy sokajiana ho fanaingam-pivoarana?
Raha ny zava-misy mantsy mahalasa saina ihany
Fa ny seha-pampianarana atao “gisitra” hatrany!

Hatramin’izao dia mahagaga fa tsy misy ny mangirana,
Ny amin`ny datim-panadinana sy ny datin`ny fidirana,
Nefa ity ny taom-pianarana, herinandro vitsy sisa,
Ka dia be no manontany, manao kajy sy manisa.

Raha vao sehatra isehoany, maika ery ny fitondrana.
Mihetsiketsika aok’izany, toa mafana dia mafana.
Saingy raha vao fampianarana, saingy raha vao fanabeazana,
Dia indreo mamato-tanana ary toa mitazantazana.

Mbola tiana ho be ny bado sy ny tsy nandia fianarana,
Hahafaha-manambaka sy manohy ny fangalarana?
Aoka tsy ho izany intsony ry mpitondra mihalangalana.
‘Ndeha jereo ny fampianarana f’aza atao ho “vodilalana”.

DADAN’i ZINA (31-07-19)