EDITO 1 Aogositra – Fikasana hanendry PDS – Vanja milevina ho an’ny fitondrana

Manoloana ny feo mandeha mety ho fanoloana ny ben’ny tanàna ho Filohana Delegasiona Manokana (PDS) manerana an’i  Madagasikara dia maro ny olon-tsotra, na mpanao pôlitika no maneho hevitra amin’ny fihemorana, na firosoana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina amin’ity taona ity. Ny teo anivon’ny Ceni dia efa nilaza  indray fa  rehefa tsy nandray fanapahan-kevitra ny governemanta tamin’ny didim-panjakana hanatanterahana ny fifidianana dia nanolotra soso-kevitra amin’ny volana novambra 2019 ka hatramin’ny volana mey 2020 indray.

Ankoatr’izay, dia efa maro ireo mpanao pôlitika sy fikambanana na olon-tsotra no naneho hevitra fa tsy tokony hahemotra ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina ary azo atao foana na dia fotoam-pahavaratra aza. Anisan’ny efa naneho hevitra ny filohan’ny Kmf/Cnoe, ny filohan’ny Smm, ny antoko pôlitika samihafa izay samy tsy mankato ny fanemorana ny fifidianana sy fanoloana Pds ny ben’ny tanàna. Tetika fampandaniana ny kandida Mapar amin’ny fifidianana no tanjon’ny fitondram-panjakana tsy nandray io fanapahan-kevitra io raha ny hevitr’ireo olon-tsotra sy mpanao pôlitika sasany satria matahotra ny tsy hahazo toerana betsaka ny mpomba ny fitondrana raha  toa  ka tanterahina avy hatrany ny fifidianana amin’ny volana Oktobra  ho avy izao raha ny tetiandro navoakan’ny Ceni.

Andrasana arak’izany ny fanapahankevitry ny governemanta amin’ny ora farany amin’izay mety ho fihemorana na fanoloana Pds ireo ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara, izay vanja milevina ihany ho an’ny fitondrana raha sanatriavina hiroso amin’izany fametrahana PDS izany izy ireo.