Fivoriana maika tany an-dapa – Hosoloina PDS ny ben’ny tanàna rehetra ?

Tia Tanindrazana

31/07/2019

Loharanom-baovao azo halina no naharenesana fa nandeha ny fivoriana tany amin’ny Primatiora nisian’ny fikaonan-doha niarahan’ireo minisitra voakasika handraisana fanapahan-kevitra momba ny toe-draharaha politika, indrindra fa ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna.

Tsy mbola te hiroso amin’io ny fitondram-panjakana ary nivoitra tao anatin’izany, raha ny loharanom-baovao hatrany fa hahemotra amin’ny taona ho avy aloha ny fifidianana. Re fa hiroso amin’ny fametrahana Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS satria ho tapitra ny 22 septambra izao ny fe-potoana hiasan’ireo ben’ny tanàna voafidy, ka ny fanjakana no tompon’ny teny farany na hanolo ho PDS azy ireo ben’ny tanàna 1695 na hamoaka didim-panjakana manalava ny fe-potoana hiasan’izy ireo. Ilay hevitra voalohany izany no hirosoana, ary mety hatao haingana dia haingana io. Olom-panjakana any amin’ireo kaominina no mety hotendrena amin’izany toy ny mpampianatra, dokotera,… Ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra kosa, fanendrena manokana mihitsy no hatao, raha ny loharanom-baovao. Io no tena ifantohan’ny sain’ny maro satria ivon’ny fampihodinana an’i Madagasikara i Antananarivo, ary tandindon’ny fifandanjan-kery ara-politika ihany koa. Mety ho amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra no hiaingan’ny fanendrena ka sady hamoaka ny didim-panjakana hanemorana ny fifidianana no hanendry PDS ny fanjakana. Manana 6 volana eo ny olon’ny mpitondra hitantana ny kaominina hametrapetrahany ny kajy politikany handresena amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Matetika rahateo ireny PDS ireny ihany no lasa kandida avy eo. Andrasana manomboka anio izay mety hitranga satria mandeha ny fivoriana sy ny fikaonan-doha samihafa ataon’ny mpitondra, izay mety hisiana fanapahan-kevitra tampoka tsy ampoizina. Raha halalinina io, dia miezaka hatrany mametraka sy mifehy ny fahefam-panjakana, izay toa mivangongo amin’ny antokon’ny fitondrana sy baikon’olon-tokana ny fanjakana Rajoelina.