EDITO 30 Jolay – Fanoherana eto Madagasikara – Mahafeno fepetra ho filohany ny TIM

Helisoa

Nanamafy ny fijoroany hitarika ny antoko mpanohitra eto Madagasikata ny Filoha mpanorina ny Tiako i Madagasikara (TIM), ny filoha Marc RAVALOMANANA. Nambarany fa antoka hisian’ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ny fijoroan’ny Antoko mpanohitra.

Nisy ny fitsidihana nataony tany amin’ny foiben’ny vondrona Eoropena tany Bruxelles. Ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara Marc RAVALOMANANA irery ihany no mahafeno ny fepetra hitarika ny vondron’ny antoko politika mpanohitra eto Madagasikara, izay ho modely aty AFRIKA sy maneran-tany, satria ny antoko mpanohitra no antoky ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Tsy natokana ho an’ny antoko politika iray ihany toy ny TIM ihany ny fanoherana, fa afaka miara-miasa ireo fikambanana sy antoko mitovy fomba fijery rehetra hoy ny filoha Marc RAVALOMANANA.

Takian’ity lehiben’antoko ity ny hampiharana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra eto Madagasikara izay efa nolaniana tamin’ny 2011, ary namafisiny, fa tsy fanonganam-panjakana no tanjona fa fiaraha-mitady vahaolana ho fampandrosoana ny firenena. Aleo aloha ampiharina ny lalàna, avy eo mijery miaraka ny fomba hanitsiana azy any aoriana.

Ankoatra izay, nanambara ny filoha Marc Ravalomanana tetsy Bel’Air Ampandrana foiben’ny antoko TIM fa mila mifampiresaka ny Malagasy, na tsy mihavana aza, hiaraka hijery ny mahasoa ny firenena. Tokony hisy hoy izy ny fihaonana eo aminy sy ny filoha Andry Rajoelina hanazavàny azy raha misy zavatra tsy azony mikasika ny antoko mpanohitra. Efa nangataka izany aho hoy izy fa mbola tsy nivaly hatramin’izao. Raha tiana handroso i Madagasikara, dia tokony hisy ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra , satria ny tanjona dia ny hampandrosoana an’i Madagasikara, na tsy mitovy aza ny hevitra.