Miantso vonjy tsy misy mpijery ny vahoaka

Dabara Menabe

Rajaonarimpanontsana

Mikaikaika ary mitabataba miantso vonjy amin’ny fitondram-panjakana ny vahoaka, indrindra ireo any amin’ny faritra sy ny manodidina satria ireo fampanantenana napetraka dia tsy misy tonga any amin’izy ireo mandraka androany. Isan’ireny ny barazy any atsimon’ny Nosy.

Mbola laza masaka hatreto ny fanamboarana ny lakan-dranon’i Dabara any Mahabo Menabe tokony hanondraka ny tanimbary sy ny tanimboly. Amin’izao fotoanan’ny ririnina izao anefa no tokony hikarakara ny tanin’ny mpamboly, ary raha izao no mitohy dia foana tsy hisy vokatra miakatra amin’ny taom-pambolena manaraka. Ny lalana hamoaham-bokatra tsy vita, toa natao laza masaka hatrany.

Miantso ireo tompon’andraikitry ny fanabeazana koa ireo mpanabe any amin’ny faritr’i Mahajanga, fa ny tambin-karama nampanantenaina tokony ho azo alohan’ny fetim-pirenena, mbola any an-kibon’ny omby. Efa hamarana ny volana Jolay anefa amin’izao fotoana izao, ary dia fampanantenana poak’aty no azon’ireo mpanabe. Voatery mitrosa mba hivelomana.

Raha mba manontany ny tompon’andraikitra any an-toerana, dia asainy mankany amin’i Rajoelina Andry, filoham-pirenena aty Antananarivo satria izy no nampanantena anareo hoy izy ireo. Ny saran-dalana hiakarana mbola hifampitadiavana, ny hanin-kohanina efa tsy misy fa dia teny an’avona no azo, eson-teny no valiny. Ny dahalo koa manao ny ataony, ny halatra madinidinika manginy fotsiny.

Very fanahy mbola velona ireo mponina ary mahatsiaro ho adinon’ny mpitondra. Santionany ihany ireo fa any amin’ny haino aman-jerin’ny mpitondra mihitsy ny vahoaka no mitatitra ny manjo azy. Tsy ny mpanohitra intsony no milaza izany fa ireo akaikin’ny fitondrana. Efa mivadika ny rasa ankehitriny ary raha tsy mitandrina ny ao an-dapa ao dia ireo mpanohana azy ihany no mety hirongatra.