Tontolo politika – Mpanohitra atahorana ny TIM

Rajaonarimpanontsana

Vao nanao fanambarana fa ho lasa antoko mpanohitra ny TIM dia efa nangovitra ny ao amin’ny fitondrana. Tsy noeritreretina mihitsy angamba ny fitsimbadihan’ny raharaham-pirenena, ka rava tampoka teo ny paik’ady politika maloto. Samy mahay koa eo amin’izay resaka izay fa indrindra ny antoko Tiako i Madagasikara, saingy tsy mba nanana saina ratsy na dia tsy mitovy hevitra aza. Mpifanandrina na mpifaninana no hevitry ny TIM fa ny hafa kosa dia maka fahavalo tsotra izao, izay no ao an-tsainy.

Izao ilay fanaovan’ny TIM politika madio, tsy hanohitra be fahatany fa tsy maintsy mitsikera kosa rehefa mahita fa mibirioka tsy mandeha amin’ny laoniny ny raharaham-pirenena. Balizy na arofanina mba tsy hanjakan’ny gaboraraka no tena anisan’ny antony. Manana ny tanjany eo amin’ny firenena ity antoko naorin’ny filoha Marc Ravalomanana ity, ka io no atahoran’ny hafa.

Ho avy indray ity ny fifidianana Kaominaly sy Rezionaly ary mitady hirika indray ry zatra mpanodina voka-pifidianana, handrombahana ny fahefana manakaiky ny vahoaka. Isan’ireny ny fanoloana tampotampoka lehiben’ny Fokontany any amin’ny faritra sasany. Manginy fotsiny ny fanomezana baiko hentitra ny sefo distrika sy ireo solontenam-panjakana, ka izay tsy mahavita ny “Mission” dia hitsingilaila ny toerany.