Fitondrana Rajoelina – Gaboraraka, noho izany tsy mirotsaka ny famatsiam-bola

Rajoelina, the dark side

Rajaonarimpanontsana

Fitondrana gaboraraka ny fitondrana Andry Rajoelina, araka ny loharanom-baovao samihafa azonay tamin’ireo mpamatsy vola samihafa, izay no antony mbola tsy isian’ny famatsiam-bola avy amin’ny mpamatsy vola mirotsaka amin’izao fotoana. Izy ireo ihany no mikasa hitantana ny famatsiam-bola homena hoy ireo mpamatsy vola, tsy mieritreritra izay hiady amin’ny kolikoly anefa izy ireo mandritra ny fifampidinihana, ka izay hatramin’izao no mampisalasala ny mpamatsy vola hanampy ny fitondrana Rajoelina. Satria heverin’ireo mpiara-miombon’antoka fa rano hatondraka andamosin’ny ganagana fotsiny ireny famatsiam-bola ireny avy eo, ka ho very maina fotsiny tsy hipaka amin’ny vahoaka, fa Rajoelina sy ny forongony no ho voky.

Ankoatra izany, nanomboka hatramin’ny fitondrana Tetezamita, ka hatramin’izao fitondran’ny filoha Andry Rajoelina ankehitriny izao no tena nisian’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Tsy nisy mahalala ny vola nalainy tao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana nandritra izay nitantanany. Raha tsiahivina, ripaka ny boaderozy sy ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena sy ny vatosoa tamin’ny Tetezamita ary tamin’ireny fotoana ireny no nampiroborobo ny kolikoly isan-karazany. Tsy nisy rafitra afaka nanara-maso fa nanao ny danin’ny kibony ny fitondrana, na ny iraisam-pirenena aza nanao fairano ny firenena, ka tsy nanome vola fanampiana tahaka ny mahazatra. Dia ny vahoaka no nifafa ny kihony. Mbola mitohy izany gaboraraka izany ankehitriny araka ny efa voalaza teo.

Iza amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta no afaka milaza fa nanao tatitra tamin’ny vahoaka amin’ireo fandaniana mihoa-pampana ataon’ny fitondrana? Tsy misy miteny na iray aza fa sarontsaronana amin’ny resaka atrik’asa isan-karazany. Izay miseho ho mianan-kendry dia tapaka ny lohany. Iza amin’ireo Depiote lany tamin’ny alalan’ny IRD no hiteny amin’ny vahoaka nifidy azy na hanao tatitra hoe, izao na izao no teti-bidin’ny vola lany nampiasaina tamin’ny foto-drafitr’asa iray na roa.

Ny zava-misy aloha dia ny vahiny mpiara-miombon’antoka sy mpiara-komana amin’ny fitondrana no mahazo laka. Amidy amin’ny vahiny i Madagasikara ary raha dinihana dia efa naman’ny lafo ny ankamaroan’ny tany eto amintsika. Hatramin’ny fasana ilevenan’ny Malagasy aza any amin’ny faritra any efa naorin’ny vahiny avokoa. Mitazam-potsiny sisa ilay Malagasy satria atody miady amam-bato.

Mipoitra koa ankehitriny ny famotehana foto-drafitr’asan’ny Kaominina Antanananrivo Renivohitra, izay voararan’ny lalàna na iza izy na iza no manao izany. Efa fantatra ny ao ambadik’ireny fa na inona na inona hambara dia heloka eo anatrehan’ny lalàna ny famotehana fananana iombonana. Natao hanatsaràna sy hanampiana ny mponina ireny foto-drafitr’asa ireny, fa tsy fanan’olon-tokana, ka tsy tokony havadika ho resaka politika na atao fankahalàna ny fiadidian’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra. Antananarivo dia soa iombonan’ny Malagasy hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.