I MAHAMASINA NO HITARINA ?

I Mahamasina no hitarina hahazaka enina alina?
Sao dia revin-gadra indray, fanaon’ny olona tsy malina?
Telo alina aza, indrisy! nisy maty sy naratra,
Sa ny mieboebo hatrany no hany tena mahazatra?

I Mahamasina no hitarina hahazaka enina alina?
Moa ve efa mba voasaina sy voalanjalanja lalina,
Sa dia tena mihevi-tena ho mahay sy fanaperana,
Ka manapatapa-poana sy mandidy tsy am-piheverana?

Raha izay tany, ananantsika, mbola marobe tokoa,
Fa dia nahoana no nomena ireo karana sy sinoa?
Isika Malagasy indray no mihafihafy ankehitriny,
Fa ny tany sy ny harena, anjakan’ireo vahiny!

Fanitarana? ilaina, saingy ataovy am-piheverana.
Sao tsy ny eny Mahamasina fa diniho izay tena toerana.
Aza ny manindry ny hafa no laharam-pahamehana,
Raha irinao ny ho mpitondra manana fahamendrehana!

DADAN’i ZINA (25-07-19)