Governemanta Ntsay Christian – Tsy nahavita satria mbola tena sahirana ny vahoaka

Rajaonarimpanontsana

Fomba fiteny ny hoe: tsy azo soloina ny ekipa mandresy. Mety misy mahamarina azy fa apetraka eto ny fanontaniana raha tena nahavita ny asany tokoa ilay Governemanta Ntsay Christian?

Rehefa dinihana tokoa mantsy dia tsy nisy fiovana firy ilay Governemanta Ntsay fa ny teo ihany no naverina , ankoatra ilay minisitra iray. Ekipa tsy nahavita firy akory ny ankamaroany satria tsy misy fiovana nanaraka izay ny sosialim-bahoaka sy ny fampandrosoana ny firenena. Mbola ilay vahoaka sahirana hatrany no mitoetra.

Tsy heno firy intsony ilay tombana zato andro napetraky ny filoha Andry Rajoelina fa takonana tamin’ny lalao CAN sy ny Lalaon’ny Nosy ary ny fandraisana ny Papa Ray Masina. Dia nijanona hatreo ny resaka, naverina amin’ny toerany indray izy rehetra. Ireo minisitra manam-bava sy mpipasoka ihany no tsy maintsy notazonina, ny asa vita anefa tsy hita mivaingana na efa ho 7 volana mahery nitondrana aza ny filoham-pirenena. Mbola any amin’ny laharana farany ihany isika hatramin’izao, araka ny tombana avy any amin’ireo mpandinika ny fiainam-pirenena sy ny fiarahamonim-pirenena.

Hiaraha-mahita eto indray ny dingana manaraka ataon’ity Governemanta tonta navadibadika ity.