Ny depiote IRD ihany no hamingana ny Filohany

Rajaonarimpanontsana

Maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny avy amin’ny fitondrana. Izao sahady anefa dia mangataka fiara 4X4 tsy mataho-dalana ny sasany ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be. Efa mandeha koa ankehitriny ny kajikajy politika any ambadimbadika any, izay hisian’ny fingampingana madinidinika. Mbola ady seza sy tombontsoa avokoa no mahatonga izay. Manginy fotsiny ny fanaratsiana ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ary mifanipaka toy ny valala an-karona izy rehetra. Ao ny sasany manao sotrobe lavatango ary tsy manankatao hafa-tsy ny mitatibolana any amin’ny lehibe. Mifamingana ara-bakiteny hoy ny fitenenana. Ny hiafarany dia tsy maintsy hisy fiantraikany any amin’ny filoham-pirenena raha izao no mitohy.

Soa ihany fa nahay naka fanapahan-kevitra ny TIM ka lasa antoko mpanohitra, mba tsy hifangaro amin’ny hafa. Arofanina ihany koa no ijoroany ary amin’izay fotoana izay dia tsy ahafahan’ny IRD hanaotao foana na hanao didikofehy lehibe rehefa handany lalàna. Iaraha-mahita tokoa fa ireo Solombavambahoaka mpomba ny fitondrana dia olona mpamadika palitao no betsaka ao. Mpanara-drenirano fotsiny fa tsy hijery izay mahasoa ny vahoaka izany.