MIANDRY FA GASY !

Miandry fa gasy, toa teny fandre
Eo am-bavan’ny zaza sy ny olon-dehibe,
Izay midika fa misy ihany fanantenana,
Na dia maloka aza ny lalan-kombana.

Miandry fa gasy, efa toa mahazatra.
Tsy teny mahery kanefa mandratra,
Milaza fa tena tsy lohalaharana
Ianao izay voalaza fa “kitro ifaharana”.

Miandry fa gasy, toa teny mandidy,
Midika f’isika tsy tompon-tsafidy,
Ka dia ny manaiky no hany azo atao
Na mangidy na mamy no mihatra anao.

Miandry fa gasy, toa mila tsy ho tanty
Fa teny maneso ary koa manabanty,
Fanaon’ny mpitondra efa tsy misy hapoaka
No sady efa tena tsy mamim-bahoaka.

Miandry fa gasy, toa mampanantena,
Kinanjo dia teny fandrebirebena
Fanaon’ireo avo efa eny am-bovonana
Ho fialana bala amin’ny eny an-tokonana.

Miandry fa gasy, mba mila ovàna,
Fa teny mitory fanevatevana.
Tsy tantin’ireo Malagasy efa reraka,
Miandry an’Ambatobevohoka ho teraka!

SEDERA RAVALISON (18-07-19)