Lalana etsy Alarobia – Hatao ho lalana Filoha Profesora Zafy Albert

Helisoa

Ho tanterahana ny alarobia 24 jolay ho avy izao ny fitokanana ny lalana hitondra ny anaran’ny filoha Profesora Zafy Albert etsy Alarobia. Izany no tanteraka dia araka ny fangatahana nataon’ny fianakaviany sy ny CRN, na ny filankevitry ny fampihavam-pirenena, tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) tarihin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ka lany tsy nisy nitsipaka nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo io fanapahan-kevitra io hoy ny filohan’ny filankevitry ny tanàna, kolonely Faustin Andriambahoaka.

Manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny tantaran’ny firenena ny Profesora Zafy Albert amin’ny maha filohampirenena azy teo loha, sy ny maha Rain’ny demokrasia azy koa, ka rariny ny kaominina raha nandray ny fanapahan-kevitra toy izao.

Nankasitraka ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny mpanolotsaina ny tanàna rehetra ny solontenan’ny fianakaviana Serge Zafimahova, sy ny mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tanàna nisolotena ny CRN Lalatiana Ravololomanana, fa nahazo valiny mahafapo izahay hoy izy ireo raha nangataka.

Nanoritra ny lalana ho any amin’ny DEMOKRASIA ny filoha Profesora Zafy Albert , koa miangavy ny mponina eto Antananarivo, eny manerana an’i Madagasikara izahay hoy izy ireo, hiara-hitokana io lalan’ny Rain’ny demokrasia io ny alarobia 24 JOLAY ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora 30 maraina eny Alarobia.