DEPIOTE HIFAMPIARO ?

Depiote hifampiaro, izany indray no tarigetra?
Sao dia misy teti-dratsy na koa hevitra voretra
Izay ketrehina sahady dieny aty am-piandohana,
Hanavotana ny ratsy mbola any am-pigadrana?

Depiote hifampiaro, izany indray no tarigetra?
Dia hiaraka hirona, hampandresy ny amboletra?
Mba ny tsara no iombòny sy arovy tsy hivena
F’aza dia mietry lava ho depiote mpivarotena!

Depiote hifampiaro? Angaha tsy efa izany hatrany?
(Ireo mpamerin-taona ange no tena havanana amin’izany!)
Sao hadino ny tantara na niniana nohadinoina,
Moa tsy vola hatrany hatrany ny anareo no notompoina?

Depiote hifampiaro? Amin’ny inona kanefa?
Aminao indrindra izany no mipàka sy miantefa,
Dia ianao natao ho lohany sy noheverina ho modely,
Saingy mahalasa saina fa tsy izany velively!

DADAN’i ZINA (20-07-19)