Filoha Rajoelina – Nitokana sinema tsy hihinanan-kanina

Helisoa

Efa nambara ombieny ombieny, fa tsy manana vina ijerena ny tena mahasoa ny vahoaka 22 tapitrisa amin’ny fitantanana ny firenena ny fitondràna TGV tarihin’ny filohany Andry Rajoelina. Ny mahafinaritra hatrany aloha no hita hatramin’izao fa tsy hita izay tena fijerena ny tena maharary ny vahoaka. Aiza ve ka dia ny filohan’ny repoblika mivady mihitsy miaraka amin’ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy indray no mitokana toerana fijerena sarimihetsika, “Canal Olympia Iarivo” eny Andohatapenaka, izay toerana misy efitra fijerena sarimihetsika mahazaka olona 300.

Raha izany isa 300 zakan’ity efitrano fijerena sarimihetsika vaovao ity izany dia kely ihany, raha oharina amin’ny fijerena sarimihetsika nisy. Ny sinema Kanto tamin’ny fotoan’androny ohatra dia mahazaka hatramin’ny mpijery 800. Ka dia izany trano fijerena sarimihetsika bitika izany ve no tokanan’ny Filohampirenena, tena mahamenatra. Izany no mahafinaritra ny mpitondra ankehitriny mampifalifaly ny ampahany amin’ny vahoaka Malagasy. Inona moa no tombontsoa azo amin’ny trano fijerena sarimihetsika sy fampisehoana ankalamanjana amin’izao fotoana izao?

Efa 7 volana nitondràna ny firenena ny mpitondra ankehitriny izao, efa maika amin’ny hanatanterahana ny vina nampilendalendaina azy tamin’ny fampielezankevitra ny vahoaka Malagasy ankehitriny, fa aza sarotsaronana amin’ny zavatra tsy mahasoa. Miandry asa mivaingana miantraika amin’ny fiainan’ny tokantrano Malagasy mba ho tsaratsara kokoa izao ny rehetra, fa tsy fandihizana sy ny koràna tsy hihinanan-kanina.

Koa miandry ny praiminisitra vaovao Ntsay Christian tsy tontan’ny ela mba hijery ny tena hitondràna ity firenena ity fa tsy ho variana amin’ny rendrarendra tsy mahasoa fotsiny satria efa tena mijaly amin’ ny fahantrana ny vahoaka Malagasy.