EDITO 11 Jolay – Misy manao fitaovana politika ny Barea

Rajaonarimpanontsana

Arahabaina manokana ny ekipam-pirenena Malagasy, ny Barean’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo, nahatafita iny dingana lehibe iny, tamin’ny niakarana ho amin’ny ampahefa-dalana ary ny irariana dia ny hibata ny fandresena hatramin’ny farany.

Ny tiana hambara amintsika mpanaraka ny raharaham-pirenena sy ny mpitia baolina kitra eto dia lasa ataon’ny sasany fitaovana politika ny ekipam-pirenentsika satria ny filoham-pirenena ihany no isaorana manokana fa tsy ny mpilalao Barea. Takona tanteraka ny Barea fa izay miteny dia ny fankasitrahana ny filoha no atao drindrangilo, ohatran’ny hoe, izy indray no mpilalao Barea nahafaty baolina teny an-kianja. Sanatria tongombolo avokoa ny hafa nanampy ara-bola, ara-moraly, ara-pitaovana ny ekipam-pirenena, fa ny fanomezana avy any amin’ny filoha Andry Rajoelina hatrany no asongadina. Izay ilay fomba fanao ratsy manimba ny tontolon’ny fanatanjahantena eto amintsika. Lasa fanasohasoana sy fisolelahana no betsaka ary aoka hazava fa ekipam-pirenena Malagasy ny Barea, izany hoe, an’ny vahoaka Malagasy, fa tsy ekipan’ny TGV sy ny Mapar akory. Ny mpomban’ny fitondrana mantsy dia mihevitra fa raha tsy teo ny filoha Rajoelina, tsy nahavita iny ezaka lehibe iny ny Barea.

Notsinontsinoavina hatramin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis sy ny namany izay azo lazaina fa angady nananana, iny fandresena miezinezina iny. Tena isan’ny nanampy betsaka ny ekipam-pirenentsika koa ny fanohanana avy eto Madagasikara sy ny Malagasy any ivelany ary ny vahoaka no tokony ho tolorana fisaorana voalohany, ny ambiny manaraka ho azy. Tsy tokony hanao ambanin-javatra izay fanampiana etsy sy eroa, fa aoka kosa tsy atao fijery mitanila ny fiaraha-mientan’ny vahoaka nanerana an’i Madagasikara.