EDITO 6 Jolay – Tsy afa-miaraka ny taranjam-panatanjahantena sy ny resaka politika

Sôh’son

Maresaka sy mampientanentana ny vahoaka amin’izao fotoana izao ny sehatry ny baolina kitra izay asandratry ny ekipam-pirenena malagasy any Ejipta.

Sehatra iray mba hany tena nahafaly ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy io tato anatin’ny 10 taona farany izao. Tsy mbola nahitana fifaliana niavaka toy izany teny amin’ny tanàna maro nanerana ny renivohitra sy hatrany amin’ny faritra samihafa nanerana ny Nosy. Zary nampiray hina ny rehetra amin’ny fiderana ireo mpilalao malagasy ny fandresena azo ka hiakarana eo amin’ny ampahavalon-dalana amin’ny lalao iadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny ekipam-pirenena taona 2019.

Tsikaritra koa anefa ao anatin’izany ny fahitana ireo mpanao politika midodododo miezaka milona ao anatin’izany fahombiazana izany ary miseho ho mpanohana sy mpankafy. Ny filohan’ny Repoblika aza dia tsy niandry ela fa ny alina nandresena ny Nizeriana iny ihany dia efa niantso an-telefônina ary nilaza fa hanatrika ny lalao amin’ny Alahady izao any Ejipta. Tsikaritra koa anefa fa misy mpanao politika tonga any Ejipta mijery io lalao io. Eto an-toerana dia samy mamoron-kevitra ireo mpanao politika avy amin’ny antoko samihafa manao izay hanehoana ny fiarahany milona miaraka amin’ny vahoaka…

Tsy tokony hohadinoina velively anefa, fa raha vao tsabahan’ny mpanao politika na resaka politika io resaka baolina kitra io, dia tsy isalasalana fa ho simba. Traikefa efa hita sy nisy teto amin’ny firenena izany. Ary tsy amin’ny baolina kitra ihany, fa amin’ny taranja ara-panatanjahantena rehetra mihitsy io.

Tsy afaka hiaraka velively ny politika sy ny fanatanjahantena. Tsy mahasoa velively ny taranjam-panatanjahantena ny fidiran’ny politika ao anatiny. Izay no ilàna fitandremana eto amin’izao fotoana izao. Tsy tokony ho faly ambolony fotsiny ny vahoaka ny amin’ny fanohanana tsy anavahana na an’iza na iza, indrindra avy amin’ny mpanao politika. Raha tiana ny hanana ny soa sy hitandro ny efa toerana niakaran’ny lanjan’ny baolina kitra Malagasy dia mila mitandrina ary mila arofanina amin’ny mpanao politika isika.