MBA LAMASININ’IZA ?

Mba lamasinin’iza ity midororororo,
Manao izay tiany hatao, tsy mihaino izay atoro,
Mazàna tia mijapy sy miezaka hamafa,
Ny zavatra mba tsara, izay vitan’olon-kafa?

Mba lamasinin’iza ity mody tsara ivelany,
Mamiratra jerena, manaitra ny fanjelany?
Toa mahafatifaty, kinanjo nony hatonina
Dia hay midona-tsetroka, mandoto fiaraha-monina!

Mba lamasinin’iza ity mieboebo ity
Kanefa mampatahotra fa hay korontam-by?
Tsy ny tahaka izao no mbola antenaina
Hitondra fifaliana sy hamelombelon’aina .

Mba lamasinin’iza, valio hoe aza fady
‘Ty feno renty ity no sady be parady,
Kanefa raha vao niainga dia fantatra sahady
Fa tena lamasinina hamarina any an-kady?

DADAN’I ZINA (04-07-19)