EDITO 2 Jolay – Andry Rajoelina – Mijapy izay azo japiana rehetra

Rajaonarimpanontsana

Hita izao fa tena tsy mandeha amin’ny laoniny ny vinan’ny Filoha Andry Rajoelina IEM, na ny marina tsy misy mihitsy, fa ny tetikasan’ny teo aloha ihany no japiany, tonga amin’ny fitenin-jatovo hoe: mijapy izay azo japiana rehetra Rajoelina.

Ny vava asa natomboky ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina hatrany no tokanan’ny filoha Andry Rajoelina dia avy eo ambara fa izy ihany no nahavita teto amin’ity firenena ity, rehefa tsy vitan’ireo filoha nifandimby teo aloha, tahaka ny fomba fiteny mahazatra azy. Toa izany ny fotodrafitr’asa tany amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, tany Beloha Androy sy Tsihombe, noraisina ny faran’ny herinandro teo, fiaraha-miasa tamin’ny Japone. Efa ny filoha teo aloha no nanomboka izany ary izao vita izao, ny fanavaozana ny pipeline, na ilay fantsona lehibe itarihana rano any Androy sy Anôsy. Hiampy ny any amin’ny faritra avarabaratra any, araka ny feo mandeha izany fitokanana hataon’ny filohan’ny mpanongam-panjakana Andry Rajoelina izany ato ho ato, satria tsy vitsy ireo zava-bita amin’ny tetikaasa PIC (Pôle Integré de Croissance) any amin’ny faritr’i Diana any, miandry fitokanana koa. Na ny seranam-piaramanidina eny Ivato aza mbola ny teo aloha no nanomboka azy, sy ny maro tsy voatanisa.

Aiza izany ilay Velirano sy ny Vina IEM natao tamin’ny vahoaka. Efa miainga sa mbola miandry famatsiana avy any ivelany. Ireharehana fa haingam-pandeha ny TGV fa toa tsy miainga, koa hatramin’izao ary mbola tavela eo amin’ny fiantsonana foana. Tsy misy maharatsy ny fitokanana fa ilay mipasoka ny efa malama no tsy mety.

Barea

Malaza ankehitriny fa ho any Egypte hanohana ny ekipam-pirenena Malagasy Barea ny filoha Andry Rajoelina. Tsara tohanana tokoa ny Barea fa heverina kosa fa mba any amin’ny dingana ambonimbony vao mihetsika ny filoham-pirenena. Sanatria tsy manao ambanin-javatra ny mahery fo isika, fa mbola lavitra ny dian’ny ekipa Barea ary ny raharaham-pirenena mbola miandry hovahan’ny filoha.

Raha ny fahitana azy dia efa mahazatra ny fitondram-panjakana ny mivoaka ivelan’ny firenena ary delegasiona mafonja no indray miaraka aminy. Ny vola lany amin’io tsy toko tsy forohana. Tsy aleo ve omena ny Barea ny lany rehetra amin’ireny? Tsy ny fitondrana amin’izao mihitsy ihany koa no fototr’izao fahombiazan’ny Barea izao, satria tamin’ny andron’ny filoha teo aloha no naka ny mpanazatra Nicolas Dupuis, ary ny vitan’ny teo aloha no tohizan’ny ao amin’ny ekipa ankehitriny. Dia mbola manamafy ihany izany, fa mijapy izay azo japiana hatrany Rajoelina.