TSY MISY FIOVANA

Misy olona tsy miova, mampisento, mampisaona,
Fa na fihetsika na fomba, toy ny zaza tsy ampy taona.
Tsy mba misy fivoarana, tsy ampy fanetrena tena.
Mahakivy ny olo-maro sy ny manam-pahendrena.

Mihevi-tena ho maranitra sy mirehaka ho fiharatra,
Be fitaovam-piadiana ka dia sahy mihaika varatra?
Mba nandrasana hivoatra, kanjo indrisy mampangovitra.
Vava foana no mitriatra, toy ny vorodamba rovitra.

Mahazendana ny fihetsiny, f’izy mihevitra ho sangany.
Saingy hatreto toa tsy tazana izay mba zavatra natsangany.
Potika ny firenena, very izay mba fiandrianany;
Maizin-kitroka ny ampitso sy ny hoavin’ny taranany.

O ry olona tsy miova nefa faly ny mitonona
Fa hoe kinga sy mahay na koa Tanora Gasy Vonona.
Tsy ny fihetsikao ivelany, tsy izany no ilaina.
Mihisatra ny lamasinina ka meteza ho tonga saina!

DADAN’I ZINA (26-06-19)