Andry Rajoelina – Tsy hahavita 5 taona …

Misy kimaizimaizina kotrehina ao, raha ny fandikan’ny avy ety ivelany azy.

Raha nisy fanaovana tsapan-kevitra na “sondage” tena azo antoka tahaka ny any ampita eto, dia i Andry Rajoelina no filoha nihena haingana indrindra ny fitiavan’ny olona azy, raha amin’ireo filoha nifanesy. Miverina ao an-tsain’ny olona ilay fomba ratsin’ny tetezamita dia ny tsy fahamatorana, aferafera, halatra, kolikoly, amboletra, fisamborana, fanagadrana, herisetra ,..

Nambara fa tsy maintsy ho lany na inon-kidona inon-kitranga, ary ny vary mora aza efa tany ambony sambo satria tsy maintsy mandresy sy niomana tamin’ny bontolo. Ny fanendrena praiminisitra taorian’ireny tolon’ny 13 mey ireny efa fanasana atidoha be vao nanaiky ny MAPAR rehefa noresena lahatra fa anarana avy amin-dRajoelina. Ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony dia mandeha ny akamakama sy aferafera. Nahazo fahefana manao lalàna sy afaka mandray fanapahan-kevitra amin’ny alalan’ny didy hitsivolana Rajoelina, rehefa rava ny antenimieram-pirenena. Toa efa mitsinjo lavitra sy tena hahamafy ny fahefany aorian’ny fiverenan’io andrim-panjakana io amin’ny toerany, ka hikitika lalàmpanorenana. Resaka fotsiny ny hoe omena vahana ny faritra, fa ny olony no hapetrany hitantana any handray ny baikony. Mora aminy ny mampandany an’io satria hanao Eny ny nifidy an-dRajoelina mbola manohana sy ny any amin’ny faritra, ankoatra ny kajikajy samihafa. Ny olona koa mifantoka kokoa amin’ny fifidianana depiote de hikorisa fotsiny ny fandaniana ilay lalàmpanorenana satria efa izay mihitsy no tanjona. Miteraka fahasosorana sy fahatezerana ireny tranga ireny ka na ny mpanara-dia an-dRajoelina aza efa tena maro no tsy milamin-tsaina amin’io fa tsy miteny fotsiny. Efa maro ny olona nanenina.

Mafy ve nisy ohatra ny Pr Zafy Albert na Didier Ratsiraka na koa Marc Ravalomanana, izay tsy hay na fifanandrifiana fa niongana avokoa rehefa nambara ho nikitika ny lalàmpanorenana tamin’izay naha nety azy ? Na i Andry Rajoelina aza dia nanova io lalàmpanorenana io ny 2010 mba tena hifanentana taminy satria nihevitra ny hijanona teo, saingy tratry ny “ni…ni…” ny 2013. Mbola lalàm-pifidianana sy lalàna hahafahany mitazona fahefana no nanonganana an-dRajaonarimampianina izay narovan’ny HCC, ary iny resy tamin’ny fifidianana iny. Tsy ny volabe ananana sy ny kajy politika amin’ny lalàna hanamafisana ny fahefana na koa fampiasan-kery no hahafaha-mifikitra eo. Diso hevitra ihany i Andry Rajoelina satria toa vao mainka manangona vato hitorahana azy ary maneho fa tsy mahatoky tena.

Azo antoka ny hisiana hetsi-panoherana mafy eto ary io mety hanomboka amin’ity taona ity na amin’ny 2020. Tsy haharitra 5 taona io fitondrana io, raha izao no fomba famindrany, araka ny fanehoan-kevitra samihafa.

Toky R