Maurice Tsihavonana † (Part IV) – Politika sy fifidianana maloto ary tetika famonoana – Mafia avo lenta

#AMPAMOAKA ÉLECTION SY VONO-OLONA TSY MISY #ENQUÊTES (tohiny)

Eny ary, hiditra @ pejy sy ny zava nisy nitranga ny t@ i Mamy Rakotoarivelo isika mianakavy.
Ka hizara roa ny fanazavana :
. voalohany inona no nitranga nahatonga an’i Mamy Rakotoarivelo ho tafiditra @ raharaha maloton’i andry rajoelina sy ny tariny.
. Faharoa inona avy ireo tranga mahagaga sy mampiahiahy amin’ny tranga telo samihafa niseho anefa nisy fifandraisany.
Ndao ary.

Ny momban’ny élection 2013 sy ny tetezamita.

Mamy Rakotoarivelo

Samy mahalala isika mianakavy fa i Mamy Rakotoarivelo dia prezidan’ny CT : Conseil de la Transition, noho izany mifandray tsy misy olana @ filohan’ny tetezamita sy ny gouvernement nohon’ny asa aman’andraikitra sahaniny, na dia avy @ ankolafy Ravalomanana aza izy.
T@ izany dia tena natahoran’ny tetezamita mafy ” bête noire” ingahy Marc Ravalomanana ary natao mihotsy ny moyen izay tsy nahafahany niverina teto Madagascar, ka anisan’izany ny nametrahana ny ” ni…. ni” mba hanakanana azy satria nazava be t@ izany fa raha samy nilatsaka izy roalahy mianaka dia ho lany @fifidianana ingahy Ravalomanana, tsy dia nety loatra ho an’ny lobbying frantsay anefa izany ka niasa mafy izy ireo hanery an’i andry rajoelina hanao sacrifice, ka farany ny communauté internationale mihitsy no nanery ankolaka azy tsy hilatsaka.
Rehefa tapaka ary fa samy tsy mahazo milatsaka izy roalahy mianaka, dia voatery tsy maintsy nitady candidats hisolo toerana azy ny roa tonta.
Nazava fa ny teo @ lafin’i andry rajoelina dia ny iray @ praiministra Camille Vital, Hajo Andrianainarivelo, Edgar. R, ary Hery Rajaonarimampianina no candidats ho tohanan’i andry rajoelina.
Ny an’i Marc Ravalomanana indray dia tsy hita be ny any fa be mistery, ka tao niteny hoe : i Lalao Ravalomanana, tao ny hoe Botozaza, fa izany Robinson izany dia nohon’ny lobbying nataon’ireo équipe nokotrehin’i Mamy Rakotoarivelo sy olona iray avy ao @ TIM.
Niasa mafy ny ekipan’ny MAPAR sy i Andry rajoelina, handresy lahatra an’i Mamy Rakotoarivelo hiara hiasa amin’izy ireo, ka tapaka sy nifanaraka fa : na omena place ambony tahakan’ny promesse sy deal natao t@ i tompokolahy Jacques Sylla : ho praiministra dia avy eo ho ambassadeur, ambonin’izany nisy vola be ihany koa nifanarahana.
Inona ny mission ?
Ny mission n’i Mamy Rakotoarivelo dia infiltration @ekipan’i Ravalomanana ny @olona halatsaka sy i influencer ary handresy lahatra an’i Ravalomanana tsy ho i Lalao Ravalomanana no ho candidate. Nanaiky ity farany fa saingy, tsy i Ravatomanga no nambabo ny fony fa ingahy Pierrot Botozaza no nety taminy, izy moa @ io dia mbola tany Afrique du Sud, araka ny heno dia nifampiresaka ela be t@ ireo lohandohan’ny mpisorona tamin’ny mpiaraka aminy ingahy Ravalomanana.
T@ io andro sy io fotoana io dia nisy tranga teny Ambatobe teny : nivory teny no sady hita teny ny fiara nitondra an’ingahy Mamy Rakotoarivelo, Roland Ravatomanga ary olona iray ao @ Tim niaraka t@ Mapar lohandohany ary avy rehefa tonga ny t@ 5 hariva dia namonjy ny toeram-ponenan’i andry rajoelina eny ambatobe ihany. Marihina fa ity toerana nivoriana ity dia ny masoko no nahita ary fantatro iza avy ireo fiara sy ny olona nifanjoy t@ io toerana io, satria ny tenako dia eny Ambatobe ihany koa no mipetraka efa elabe ka aiko tsara aiza avy ny coins ao ary tsy sarotra ny manara maso ny mouvements ao.
Rehefa natao moa ny fanadihadiana dia voalaza fa tena au dernier moment sady farany vao nanaiky ingahy Ravalomanana fa i Docteur Robinson no candidat izay io hono no tapaky ny parti fa raha i Botozaza dia ho vaky sy hipatitaka ny parti TIM. Ingahy Pierrot Botozaza anefa efa nobitsihin’ingahy Ravalomanana hanomana ny dossiers rehetra momba azy ary efa nihazo an’antananarivo nandeha fiara. Sahirana mafy ingahy Ravalomanana t@ izany ary rehefa no tenenina ingahy Pierrot Botozaza dia tezitra mafy ary niala tsy ho TIM intsony izy.
Tsy mety t@ MAPAR i P. Botozaza satria noho izy tena akaiky an’ingahy Ravalomanana no izy mahitsy be loatra sarotra ny hiresaka aminy. Ny mety dia i Robinson satria io no efa vita resaka ka ho mora ny hametraka sy hampandany ny candidat MAPAR.
Nomena financement mihitsy moa Docteur Robinson t@ izany mba hisian’ny saritsarina élection fa ny kajy efa vita mialoha, na iza na iza candidat harotsakiny MAPAR dia lany, ny tany @ MAPAR moa tsy hidiratsika fa ny tao dia nohon’ny kôzy cocote dia nosakanana par tous les moyens i Camille Vital, asa raha sahy hanamafy ny nahazo azy ingahy camille vital sy ingahy Mamy Ratovomalala, izay samy nahazo ny enjana koa t@ izany. Ingahy Edgar R moa hoy ny lobhying Mapar invendable dia na dia izy aza no nampandry ny fon’i andry rajoelina mivady dia niasa koa ny lobbying financier andry rajoelina, ka ingahy Hery Rajaonarimampianina no finidin’izy ireo.
I Mamy Rakotoarivelo izany no tena nametraka ny drafitra tany @ lafiny Ravalomanana, vita ny fifidianana, vaky ambatolampy ny fitaka satria teo vao nahatsapa ingahy Ravalomanana fa voafitaka, satria rehefa raikitra ny sakoroko sy ny karazany, nisy tsy afa-po t@ fifanarahana dia nilaza sy nitantara ny marina sy ny ahiahy t@ ingahy Ravalomanana, moa nalaza be koa ny convention de Panorama, izay toerana nihaonan’ingahy Jean Louis Robinson sy ireo olona solontenan’ingahy Hery Rajaonarimampianina izay hiraka avy @ ingahy andry rajoelina ary nisy resaka volabe t@ io ora io raha ny tsilian-tsofina, satria iny andro iny ingahy JL. Robinson dia nanaiky fa lany ary niarahaba an’Andriamatoa H.Rajaonarimampianina, filoham-pirenena voafidy ny tenany, maro ny TIM nahatsiaro voafitaka nefa tsy afa nanoatra.
Nety sy nandaitra izany ny kajy sy ketrika hatreto.

Lany soa aman-tsara ingahy H.Rajaonarimampianina.
Rehefa, lany sy neken’ny vahoaka malagasy ingahy H.Rajaonarimampianina dia nisyvihany koa imposition napetraky ny communauté internationale : ” rupture avec le passé”, nety t@ ingahy H.Rajaonarimampianina izany satria ny 13 octobre 2013 dia nataon’i andry rajoelina nahita an’i Jacob, maivana tahakan’ny volom-borona ingahy futur filoha, satria na dia sms fisaorana aza tsy nalefan’ity nandaniana efa ho 100.000.000.000 ar, nisaotra an’i andry rajoelina, tsy tantin’ingahy H.Rajaonarimampianina ny vava nivoaka t@ izany fotona izany ka nahatonga azy nivoady fa tsy maintsy ho tratrany io boay kely io, koa dia nety taminy io “rupture avec le passé” io. Izao no zavatra hitan’ny vahoaka tety ivelany, t@ izany fotoana izany dia voatery nanao fanambarana izy fa efa tany @ voalohan’izy dia efa nitolona sy mpitolona ( rehefa nivoaka ny palais izy t@ io), ka tsy izy mihitsy no hivadika @ tolona.
Natao sy vita soa aman-tsara ny fomba fomba repoblikana mba ahatonga an’ingahy H.Rajaonarimampianina ho filoha ka nandray ny fitondrana feno ny tenany. Samy nahatadidy isika mianakavy fa voatery novaina ny fomba famaky sy ny dika-tenin’ny article 54, izany hoe niseho nibaribary teo fa tsy hanaraka sy hanaiky ny praiministra ho atolotry ny mapar ny filoham-pirenena notohanan’ny mapar, grave ny situation.
Grave ny situation satria i andry rajoelina engagé t@ ” deal” na ketrika nifanarahana tamina olona maromaro tafiditra ao anatin’izany ingahy Mamy Rakotoarivelo izay no karamaina nanao espion sy niray tetika ny @ JL Robinson ho candidat an’i Ravalomanana. Ingahy H.Rajaonarimampianina anefa tsy voafatotr’izany deal izany, eto no manomboka ny tena raharaha momba an’i Mamy Rakotoarivelo satria lasa témoin manemba tsembana izy no sady, manomboka mitaky ny zavatra rehetra nifanarahana satria rehefa tsapan’ingahy Ravalomanana fa namadika azy ity farany dia nihidy ho an’ity farany ny fony koa voatery nivaralila teny izy rehefa rava ny CST, satria voa sy very double ny anao lahy, diso tetika, satria ny promesses nomen’i andry rajoelina dia tsy nisy notanterahany na iray aza ary nanomboka nanao menaces hamoaka ny marina ingahy M.Rakotoarivelo. Ingahy andry rajoelina moa mbola manana tetika ny hilatsaka ny 2018, noho izany tsy maintsy manadio ny tanàna izy.

Inona no tetika sy fomba hanaovana azy?

Colonel Charles

. Voalohany: fampatsiahivana, i colonel Charles no témoin gênant voalohany ary henoy sy vakio tsara fa ity no fototry ny tetika rehetra :
– alohan’ny tena hanaovana ny tetika hamonoana azy, rehefa nanao ny ampamoaka voalohany ny colonel Charles, dia nolazaina sy naparitaka t@ haino aman-jerin’ny filohan’ny tetezamita fa :LASA ADALA SY MAMOIFOY I COLONEL CHARLES.
. Faharoa, talohan’ny fotoana nitrangan’ny ” famonoan – tenan’ingahy M.Rakotoarivelo dia nalefa ny tsaho fa marary saina ary efa saika namono tena, nankalazaina t@ facebook izany ary nisy aza compte pirate sy fake t@ anarany mihitsy. (vakio, io madagate eo ambany eo io dia ampitahao @ la tribune dia ho hitanao ny désinformation ataon’ny madagate, fantatra fa gazety pro andry rajoelina io).
Voatery nahitsy sy nasiana doute ny tenin’ilay mpiasa rehefa t@ enquête préliminaire teny an-toerana, fa tonga dia nitsiana hoe bala iray ihany no nahafaty azy.
Ka na io mpanampy io no mandainga na ny enquête no navily haingana. Satria raha bala sy TIFITRA INDROA dia mazava fa nisy nitifitra izy izany, mazava ny an’ny manodidina afera mamay io tsy miditra @ io izy, mazava ny valiny tsy naheno izahay, dia torak’izay koa ny t@ i Maurice afera mamay be io, zahay tsy naheno.
Ireo no tetika sy phase voalohany.
Faharoa :
. Rehefa no lazaina fa namono tena ingahy M.Rakotoarivelo dia mba henoy sy vakio ireto tranga ireto :
. Nisy nanafika ary maty tao @ rihana ambany ny chauffeur n’ingahy Maurice Tsihavonana, PERSONNE N’A ENTENDU, maty novonoina anefa io olona ny alin’io namonoina azy io na ny manodidina na ny tao an-trano nefa dia par force no nidiran’ireo mpanafika tao @ io trano io.
. Maty hoe, nitify tena ingahy M.Rakotoarivelo, FA PERSONNE N’A ENTENDU LA DÉTONATION DU REVOLVER OU DU PISTOLET, kanefa ny mpanampy voalaza fa NAHENO TIFITRA INDROA, mpanampy tao an-trano io, na ny manodidina aza ihany ko tsy nisy naheno.
Mampagaga an !!!
Na i Maurice chauffeur, t@ vaki-trano, na i M Rakotoarivelo t@ basy tsy nisy naheno ny manodidina. Hafahafa hoy ny malagasy, fa hoy ny filazan’ny vahiny azy @ raharaha tahaka itony dia hoe :

” il y a trop de coincidences entre les trois affaires, d’un la préparation psychologique de l’opinion, de deux le mode opératoire semblable et identique pour les trois affaires, là ce ne sont plus des coincidences, on a affaire à des tueurs professionnels et en série “

Izany hoe :” ireo affaires telo ireo, Colonel, Charles, M.Rakotoarivelo, M.Tsihavonana dia operation organisée et très bien organisée”

Nadine Ramaroson

Ny fahatelo, ary tena nampagaga aza adino fa teo koa ny an’i Nadine Ramarosaona, mbola averiko fa ny gas oil tsy mipoaka raha tsy misy zavatra atao hanapoaka azy.
Ny faha-efatra, avereno vakio ny gazety nilaza ny déclaration t@ ireny fotoana ireny, jereo koa ary sokafy ny dossier d’enquêtes fa : ” rehefa niditra ny police sy ny zandary mpanao fanadihadihana dia” FATY NITSOTRA TEO AM-PANDRIANA sy VATANA MANGATSIAKA” no hitan-dry zareo tao.
Fanontaniana :
Raha hamono-tena @ basy vé dia lojika ny hoe mitsotra eo am-pandriana no hitifi-tena? Toa tsy lojika an?
Raha eo amorom-pandriana no lojika kokoa, ka na de travers ianao no ” NIVALAPATRA MATY fa TSY MITSOTRA na NIANJERY TETY @ TANY ” Mampagaga an.
Faha-dimy : na ny t@Maurice chauffeur, na ny t@ M.Rakotoarivelo dia ny olona akaiky foana no nanaovana désinformation t@ facebook hoe tompon’andraikitra, ny t@ chauffeur n’ingahy M. Tsihavonana dia nolazaina sy novohizina ity tantara rehetra foronina ity fa ry Maurice miralahy avy no tompon’andraikitra, ny t@ i M.Rakotoarivelo indray dia ilay mpanampy no t@ voalohany ary sipakeliny taty aoriana, dia takony tanteraka ilay plan, fa opération ilay izy, ary organisée mihitsy.
Fanontaniana farany no sady porofo fa bande organisée avy ao anatin’ny fanjakana no tompon’andraikitra dia ity :
. Témoins gênants i Mamy Rakotoarivelo ary i Maurice Tsihavonana sy i Nadine Ramarosaona ary i Colonel Charles dia tsy maintsy namboarina satria be loatra ny marina hivoaka, ny bois de rose, ny volamena, ny blocs petroliers ( 300.000.000$ no vidin’ny anakiray @ io, fa ny tsara rehetra efa lafo t@ transition dossiers hafa io), ny chantages t@ Ambatovy, ary ny harcèlement atao @ sociétés vahiny @izao fotoana izao, ny resaka terre rares, ny jono and ranomasina miaraka @ sinoa, ny secret n’ny air Madagascar t@ ireo avion nofaina t@ teteza mita, ny halatra be vava yao @ JIRAMA
. Aiza daholo ny enquête momba ireo rehetra ireo? Nadine Ramarosaona, ny empoisonnement n’i Colonel Charles Andrianasoavina, ny an’i Mamy Rakotoarivelo ary farany, efa velona soa aman-tsara ary efa ho herinandro i Maurice Tsihavonana no niverina niditra hopitaly no maty, rehefa avy nodidiana tao @ HOMI ihany herinandro mahery talohan’io andro izy maty io.

Guy Ratovondrahona

Ny Gouverneur interim Guy Ratovondrahona, izay tsy nanaiky ny offre n’ny mpandraharaha iray hividy ny part n’ny fanjakana sy ny crédit agricole : tsy ampy ny fepetra hoy izy”
Io gouverneur dia mazava fa tsy nanana risque na problème cardiaque raha ny dossier médical no lazain’ny fianakaviany. Maty par arrêt cardiaque io olona. Nanemba tsembana izy nohon’ny afera BNI io, vola be io tsinona. ( vakio ireo liens tribunes eo ambany ireo)

Ireo menaces ireo no mitranga amiko izao, ny phase voalohany dia hoe lasa adala aho, afafy @ facebook ary lazaina niha nahantra ka very fanahy. Tena mahavita manakarama mpamono olona professionnels io fitondrana io koa dia lazaiko eto ihany koa : ” FA NA ‘ZAHO MATINY NA NY MALAGASY HIJORO TAHAKA AHY” mino izany aho satria : ” MANANA AN’ ANDRIAMANITRA AHO MIARO AHY, HIARO AHY IZY ARY TSY HANALA BARAKA AHY IZY” efa t@ mariaziko no no sabotén’i andry rajoelina, ny filatsahako filoham-pirenena koa efa nataony koa, ary efa matetika aho t@ tolona niaraka t@ Fidel sy i Lalatiana no efa saika nosamboriny sy ho gadraina fa sady tsy azony no nisy nanakana.

Ny tohiny manaraka dia vakian-tsika bantsilana hoe inona ny dikan’ireto IST maromaro ireto, ny @ i Mbola Rajaonah, Rolly Mercia.

Ho an’ny mpanao comptes fakes : misaora an’i Jehovah fa manana asa ianareo, ary aza misalasala mamorona satria izay no mission nareo, aza adino ny mivavaka ho ahy any am-poinareo mangina any, tsy manome tsiny anareo aho, tsy olana ho an’ireo izay manoratra amiko, aza manahy fa tohizo ny asa.

Ny @ Houlder, efa namaly anao aho ry tovolahy, fa raha tianao tohizana dia valio aloha ny hozona nasaiko nataonao, fa ho ampiakariko ny dôzin’ny ampamoaka, tsy moramora izany hoe, ny tenako izao no anisan’ ny mijoro ho mpanenjika ny mpanao bois de rose ary ny tenako izao no anisan’ny nanangana ny task force tao @ primature ary jeneraly akaiky ahy no lehiben’izany no lazainao fa mpanao bdr, mbola averiko aminao fa matoa natao hoe i Kotomofo ny anaranao dia ao raha….

Ho an’ny vahoaka mifampiresahy ary amparitaho ny resaka fa ady @ devoly ity, mila ny fitahian’ny Tompo isika. Ny toky azo omena anareo dia tsotra tsy MAFY ADY AHO, MAHAVELONA AHY TSARA NY ASAKO @ IZAO FOTOANA IZAO, TSY VOLA NO MAHA ORY, FA NY FIRENEKO NO MAMPALAHELO AHY, NOHO IZANY TSY IZANY andry rajoelina izany NO HO HATAHORAKO, ny VAHOAKA SY ANDRIAMANITRA NO HATAHORAKO.
Izay aloha ho Tahian’Andriamanitra daholo isika.

Fleury Rakotomalala

http://madagate.org/madagascar-informations-politiques/a-la-une/6420-mamy-rakotoarivelo-les-raisons-de-son-suicide-largent-et-les-femmes-selon-lui-meme.html

https://www.madagascar-tribune.com/Fin-tragique-de-Mamy-Rakotoarivelo,23152.html