IZAHO SY NY SARIKO

Andry Rajoelina manitsakitsaka ny Lalampanorenana

Apetako eto indray ny sariko
Raha izany no ilaina,
Ary dia habaribariko
F’izaho dia tena “lalin-tsaina”.

Na ny lainga na ny “kobaka”,
Samy manavanana ahy.
Ireo akamako dia “bobaka”,
Ka tsy misy mampanahy.

“Saosy” hatrany no zaraiko
Raha vao misy tsy milamina.
Iny izaho mampita baiko
Ery ambony, mihaminkamina!

Ka na mbola hisesisesy
Izay karazam-pifidianana,
‘Zaho hatrany no ho mpandresy
Sy ‘zay tiako hotohanana.

DADAN’i ZINA (26-06-19)