AKAIKY INDRAY NY FETIM-PIRENENA

Akaiky indray ny fety, ny fetim-pirenena,
Dia indro ny mpitondra manao izay isehoana.
Toa mody mahafoy, toa manana homena,
Toa mailaka sy kinga hamahana ny noana.

Akaiky indray ny fety, ny fetim-pirenena,
Ka faly ny mahantra fa misy mahatsiaro.
Foronin’ny mpitondra ny lainga sy hafetsena.
Mipoitra avy eo am-bavany ny teny mamy maro!

Kanefa tsy haharitra ny fihetsika toy izany,
Fa toy ny “taniravo” nezahina natentina.
Hisosa indray ny volana ka vetivety ihany
Dia indro fa hiverina ny tasy sy ny pentina !

Tsy lamina mitohy na tetika voarindra,
Fa peta-toko hatrany no entina hitsaboana.
Fitiavan-tseza manko no lehibe indrindra,
Ka maizina tanteraka ny lalam-pandrosoana!

SEDERA RAVALISON (22-06-19)