EDITO 20 Jiona – Haino aman-jerim-panjakana : tao tsy mahafehy vanim-potoana

Sôh’son

Miteraka resa-be eto amin’ny firenena, indrindra eo amin’ireo haino aman-jery tsy miankina maro, ny fanapahan-kevitry noraisin’ny teo anivon’ny fanjakana, na ny Ortm, ny marina kokoa momba ny fifehezana samirery ny fampitana mivantana ny lalao baolina kitra hotanterahina any Ejipta, na ny Can 2019. Raha atao amin’ny teny mahitsy dia ataon’ny TVM sy ny RNM ampihimamba ny fampitana mivantana io lalao afrikana io. Hahasoa ny firenena ve izany? Hiverina any amin’ny firy taona lasa isika amin’izany toe-javatra izany? Ary fanokafan-dalana hisoko hiroso mangina mankany amin’ny didy jadona ve izany? Asa, mety manomboka haka lesona amin’ny ataon’ny any Rwanda sy Russie mantsy izy ity? Etsy ankilan’izany, hoy ny mpanara-baovao sy mpandalina, hay azo atao an’izany ihany ny serasera eto, fa rehefa amin’ny fotoana inona no tsy afaka manao izany ny fanjakana na ny haino aman-jerim-panjakana?

Nisy fotoana, raha hitodika ny tany aoriana lasa tany ihany, maro ireo zavatra tsara naseho tao amin’ny fahitalavi-pirenena teo amin’ny resaka taranjam-panatanjahantena notanterahina tany ivelany tany. Nahasoa ny vahoaka tokoa ireny indrindra ny zatovo sy ny tanora Malagasy. Vetivety teo anefa, vao niseho ireto mpandraharaha hafa tsy miankina amin’ny fanjakana ireto, izay vahiny ny tompony, dia tsy nampita ireo zavatra tsara tao aminy ireny intsony ny fahitalavi-pirenena Malagasy. Rehefa nodinihina lalina ny anton’izany, dia tsikaritra fa misy kopaka isasahana amin’ny lafiny tombontsoa, ary vola mazava loatra, ny tao ambadika tao. Vokatr’izany, niara-nitontongana sy nikorosy fahana tamin’izany na ny haino aman-jerim-panjakana, na ny fanabeazana azon’ny olom-pirenena.

Tsy natao ho nahagaga araka izany, raha nihen-danja tanteraka, na ny sehatry ny fanatanjahantena, na ny toe-tsaina eo amin’io sehatra io, sy indrindra ny teo amin’ny toe-tsaina maha olom-pirenena vanona teto amin’ny firenena. Tompon’andraikitra tanteraka amin’izany ny haino aman-jerim-panjakana na ny tompon’andraikitra tao aminy na ny fanjakana. Araka izany, amin’ny fotoana ilàna azy tsy manao ny haino aman-jerim-panjakana, fa rehefa amin’ny vanim-potoana efa misy fivoarana be ankehitriny no mandray fepetra izy. Ary ankehitriny aza, dia tsy hita soritra miezaka hamerina ireo mba tadiavin’ny sarambabem-bahoaka eo amin’ireo sehatra voaresaka teo aloha ireo sy zavatra hafa, ary efa hita ho nahasoa fahiny, ny zavatra hita sy re ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana.

Tsy hanohana be fahatany ny takian’ny fahalalahana any amin’ny firenena mandroso isika, fa mila fandanjalanjana fatratra izany, kanefa mba mila jerena tsara sy amim-pahendrena ihany izay tokony homena fahalalahana indrindra eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery, fa tsy ny resaka vola no hatao hibahana.