RY MIARAMILA SY POLISY ARY ZANDARY

Mba mieritrereta fa efa igagàna
’Nareo miaramila, polisy, zandary.
Tsy vitsy ianareo no mandika lalàna,
Mivadika ho poizina tena fanary.

Manampatra hery ary koa fahefana,
Dia tena mamono tsy misy indrafo.
Nefa izany dia tena raràn‘ny lalàna,
Fa nahoana loatra no tsy mankatò?

Efa tena mivaona ny lalan-kizorana,
F’inona loatra no anton’izany?
Aza dia maka tahaka ny fozaorana,
Mihemotra lava sy toa be vinany.

Mba mieritrereta fa maro no leo
Ny amin‘ny zavatra vitanareo tato ho ato.
Apetraho amin’ny toerany ny hasinareo.
(Aoka tsy ho vilam-bava fa mpitari-bato!)

DADAN’I ZINA (19-06-19)