Voka-pifidianana vonjimaika: manahy ny maro fa hiverina ny « azo raisina fa tsy mitombona ».

Andry Tsiavalona

Ny sabotsy lasa teo no nampiantso ny mpanao gazety ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), nanaovany ny fampahafantarana ny vokatra vonjimaikan’ ny fifidianana solombavambahoaka notanterahana ny 27 mey lasa teo.

Iaraha-mahalala fa ambany dia ambany ny taham-pahavitrihana kanefa nanampy trotraka izany ny olompirenena maro nanana kara-pifidianana kanefa tsy tao anaty lisitra navaozina intsony, raha nahazo nifidy tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny volana desambra 2018.

Niaiky ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana fa nisy ny hosoka, ny hala-bato, ny fikafika rehetra. Nanaovany fanakianana ireny fa tsy nasiany teny kosa ny momba ireo olona tsy afaka nifidy kanefa dia ity rafitra ity no tomponanadraikitra tamin’ny fanavaozana izany lisitra izany. Izay iray alehany na ny tany amin’ny fokontany no nanao izay nanesorana ireny mpifidy ireny tao anaty lisitra satria fantany mialoha izay kandidà nofidian’ireny olona ireny. Ny mpifidy rahateo efa nifidy tamin’ny desambra 2018 dia efa nahazo antoka fa tsy maintsy ho tao anaty lisitra izy, ka tsy nilaina intsony ny nanamarina izany. Mety ho tany amin’ireo nanao ny fampidirana ny anarana tamin’ny solosaina tany amin’ny Vaomiera mahaleotena mihitsy no ninia nanao izany. Raha ny eo anivon’ny fokontany dia ho sahirana ihany ny sefom-pokontany satria olona miara-miaina aminy eo an-tanàna ireny voahilika ireny. Azo antoka anefa fa hifanilika andraikitra toy ny mahazatra ireo rafitra roa ireo satria samy miaro ny rambony tsy ho tapaka sy tsy te ho ratsy eo imason’ny vahoaka. Mendrika ho saziana anefa izay voaporofo fa nanao tsirambina ny asany izay misy fiantraikainy tsy azo tsinontsinoavina eo amin’ny fiainam-pirenena.

Azo heverina ihany koa fa nisy endrika kolikoly na tsindry tamin’ity toe-javatra ity satria tsy tongatonga ho azy ny fanesorana sefom-pokontany maro raha tsy hiteny afa tsy ny teto an-drenivohitra. Ny any amin’ny toerana lavitra andriana moa tsy sarotra ho an’ny manampahefana any an-toerana ny mampihorohoro ireny sefom-pokontany ireny ka tsy nilaina ny nanaisotra azy tamin’ny toerana. Tsy sarotra ny nanaisotra na nanindry azy ireny satria olom-boatendry ny sefom-pokontany fa tsy nofidin’ny vahoaka.

Manaporofo ny fiandaniana amin’ny mpitondra ihany koa ity toe-draharaha ity satria efa nanambara ny filohan’ny Repoblika, tany Lafrantsa, fa tsy maintsy mandresy ny mpiaradia aminy, toy ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany. Efa manahy sahady ny maro fa tsy hanao hafa tsy ny hanamafy izay vokatra vonjimaika navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana fotsiny ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ka miverimberina hatrany ilay fitenenana nalaza tamin’ny fotoan’androny « azo raisina fa tsy mitombina ».

Raha io vokatra vonjimaika navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana io no hamafisin’ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana dia ny tamin’ny tetezamita indray izany no hiverina ao amin’ny Antenimieram-pirenena dia hamboary ny saina ry gasy fa ho toy ny tamin’izany indray ny fiainana eo amin’ny sehatra rehetra. Efa nanomboka iny ny « vary mora », ka hanomboka ho voky « bala rora » amin’izay ny gasy.