RY MIARAMILA

Nanondrana foana ianareo tao ho ao,
Fa dia inona marina no anton’izao?
Sa ny “saosy” no kely tsy mahatody volana
Ka ny mangalatra no vahaolana?

Nanondrana foana ianareo tao ho ao.
Fanolanana indray izao no atao kilalao?
Efa niova dia niova ny fialamboly,
Ka dia manatevina ny asan-devoly?

Nanondrana foana ianareo tao ho ao,
F’efa tena manao izay tsy tokony hatao.
Sa ireo olo-mitarika no tsy modely
Ka any amin’ny tsy izy no alehan’ny kely?

Nanondrana foana ianareo tao ho ao.
Iza indray ilay anaranareo vaovao?
Sa ‘nareo ilay dahalo mpampandry ny tany,
Ka dia maka an-keriny ho tambin’izany?

Nanondrana foana ianareo tao ho ao.
Fa dia nahoana marina re mba lazao?
Sao ny sefo mpitarika anareo ihany
No tena “atidoha” mahatonga izany?

Nanondrana foana ianao tao ho ao.
Moa tsy anananareo intsony ny kalitao,
F’efa tena andevozin’ny vola tanteraka
Sy efa sokajin’ny olo-miveraka?

DADAN’I ZINA (18-06-19)