NY FITONDRAN-DRAJOELINA

Handia ny enim-bolana ny fitondran-dRajoelina.
Tsy misy ny mangirana, tsy misy ny mazava.
Vao mainka i Gasikara toa miditra tonelina,
Fa sendra izay mpitondra, mpanimba sy mpandrava!

Handia ny enim-bolana ny fitondran-dRajoelina.
Toa maizina tanteraka ny lalana hombàna.
Mitombo ny mangidy ka mila tsy ho telina,
Fa sendra izay ekipa mpanongam-panjakana!

Handia ny enim-bolana ny fitondran-dRajoelina.
Ezahiny harodana ireo tsara mba mijoro.
Noheveriny f’ireny dia mety hanelingelina,
Ka indro nopotehiny, nataony torotoro.

Handia ny enim-bolana ny fitondran-dRajoelina.
Nidify ny mazava, ny alina indro tamy.
Ny toerana, handalo, ny fahefana , hihelina.
Raha samy ho faty ihany, tsy aleo mamela mamy?

DADAN’I ZINA (17-06-19)