Inona marina no antsoina hoe Antenimierampirenena? Inona ny asany ary inona no lanjany eo amin’ny firenana?

Araka ny lalàna voasoratra ao amin’ny andininy faha-68 amin’ny Lalampanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara dia ny Antenimierampirenena izay eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza sy nyAantenimierandohlona etsy amin’ny lapan’Anosikely no mandrafitra ny antsoina hoe Antenimiera Malagasy.

Ho an’ny solombavambahoaka na ny depiote manokana eny Tsimbazaza dia anisan’ny asany lehibe ny mandany ny lalàna, na io volavolan-dalàna avy amin’ny governemanta, na io tolo-dalàna avy amin’ny solombavambahoaka.

Manara-maso ny asan’ny governemanta sady manao tombana ny politikam-panjakana ny Antenimerampirenena, manao ady hevitra ho entina mampandroso ny firenena. 151 ny solombavambahoaka izay olom-boafidy fidin’ny vahoaka mivantana. Misolo vava ny vahoaka izy ary maka ny hevitry ny vahoaka ihany koa any amin’ny distrika nahalany azy, ary mitondra izany eo anatrehan’ny governemanta amin’ny alalan’ny fifanatrehana mivantana.

Tsara ny manamarika fa ny volavolan-dalana avy amin’ny governemanta dia mivoaka eo amin’ny filankevitry ny ministra.

Ireo solombavambahoaka eny an-Tsimbazaza no mifidy mivantana ny filohany mandritra ny dimy taona. Misy filoha lefitra fito fidin’ireo solombavambahoaka mivantana amin’ny alalan’ny latsabato miafina, ka filoha lefitra iray isam-paritany enina miampy filoha lefitra iray avy amin’ny mpanohitra. Misy koa kestora roa fidina mivantana. Ankoatr’izay dia fidin’ny solombavambahoaka mivantana ihany koa ny mpampakateny sy ny mpanampy azy. Misy komisiona eo anivon’ny antenierampirenena izay voafetra eo amin’ny andininy faha-41 amin’ny lalàna anatiny mifehy izany antenimierampirenena izany. Fa eo ihany koa ny sekretera jeneraly izay mampita any amin’ny solombavambahoaka ny fanapahan-kevitra avy amin’ny birao maharitra.

Raha ny resaka tombontsoa azon’ny solombavambahoaka kosa dia eo aloha ny karamany 3.000.000 ariary, tambin-karama 400.000 ariary isan’andro mandritra ny fotoam-pivoriana, 3.000.000 ariary solon’ny solika ary 200.000 ariary fahana telefônina. Manana mpanampy dimy na assistant parlementaire ny depiote tsirairay. Ankoatr’izay dia omena vola 65.000 ariary hofana hotely isan’andro ny depiote anankiray raha mamita iraka eto an-toerana. Ny fahazoana 4×4 kosa dia tsy voafaritry ny lalàna.

MBS – Rina Rabemananjara sy Mathieu Princy