HO ANAREO MISAHANA NY FIFIDIANANA

Ny andraikitray vahoaka tsotra
Hatreto aloha dia ny mifidy,
Fa tsy anay ny tondrozotra,
Tsy ‘zahay koa no mandidy.

K’aza ailika aminay
Ny lesoka sy tsy fetezana,
Fa tompo-marika amin’izay
‘Nareo be loha mpanao letrezana.

Ianareo no matin-tseza
Dia nanaiky ny ho “vaomiera”,
Ka tohizo, mahereza,
‘Ndeha tantazo ny tsikera.

Mbola ho lava ny tantara,
Mbola hitohy ny fifidianana.
Miezaha hanao ny tsara
F’efa be no leom-boananana.

Dia ny marina hatrany
No asehoy hiaraha-manana.
Aoka ho tarigetra izany
Ry vaomieram-pifidianana.

Aza dia mivarilavo
Ho toy ny amboa ka hitorovoka,
Sao anarany no “avo”
Kanjo indrisy mihosim-bovoka!

DADAN’i ZINA (31-05-19)