Andry Rajoelina sy ny IRD – Mivoaka ny tetika maloto – Ampiasaina ny fanjakana sy ny fitaovana – CENI sy distrika iray petsapetsa (tapany I)

Rajoelina sy ny oreillettes

Tetika maloto sy avo lenta no afitsok’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany mpandroba fahefana.

Araky ny vaovao voaangona dia mandeha aloha ny tsolotra ividianana ny vato, ka rehefa tsy mety dia fandrahonana sy fampitahorana izay mety miafara amin’ny famonoana. Ny tetika farany dia ny fandoroana ny voka-pifidianana sy ny entana voatahiry eny amin’ny SRMV mba hanjavonan’ny voka-pifidianana, toy ny nitranga tamin’ny biraon’ny SRMV tao Toliara II ny Zoma 31 Mey lasa teo.

Rajoelina – Maroantsetra – Bois de rose

Ny Talata 28 Mey, tao amin’ny distrikan’i Maroantsetra faritra Analanjirofo, izay ahitàna ny mponina manana trosa amin’i Andry Rajoelina mikasika ny bois de rose, nilahatra ny mponina nitaky ny fanajàna ny safidiny. Nifamotoana tao amin’ny Kianjabe ny mponina nitaky ny mangarahara sy fanadihadiana mikasika ireo hosoka marobe. Nalefan’ny fanjakana tany an-toerana ny sakamainty hampihorohorona ny mponina ka raiki-tahotra ireto.

Ny Alarobia 29 Mey, tao amin’ny distrikan’i Bealanana faritra Sofia, dia nitaky ny hamerenena ny fifidianana ny mponina tao an-toerana, nitaky ny marina sy ny mangarahara ary tsy niala raha tsy maizina ny andro na dia nampiasa hery aza ny mpitandro filaminana. Tranga-javatra tsy niseho mihitsy izao tao Bealanana hatramin’izay.

Ny voka-pifidianana manaraka etsy ambany dia vokatra vonjimaika notsongaina tao amin’ny tranonkalan’ny CENI izao 3 Jiona 2019 alina izao tamin’ny 9 ora sy sasany hariva.

Faritra Menabe, distrika Mahabo
Mitarika ny kandidà mahaleo-tena Raveloson Ludovic. Ny vokatra avy amin’ny birao 162/167 sy vato manan-kery 27.455 dia manome:
1. INDEPENDANT – RAVELOSON Ludovic Adrien 32.10% (8813)
2. MVF – ANDRIANIRINA Narcis 25.95% (7125)
3. IRD – ROSTAND Andre 24.49% (6723)
4. INDEPENDANT – RASOLOFOMANANA Jaobelson Eddy 17.46% (4794)

Tsy nanaiky nivarotra ny vatony ho an’ny IRD ny kandidà mahaleo tena Raveloson Ludovic. Nogadraina dimy taona an-tranomaizina.

Faritra Sava – Distrika Sambava
Mitarika ny kandidà mahaleo-tena Mamangy Norbert fantatra amin’ny anarana hoe Jack. Ny vokatra avy amin’ny birao 371/397 sy vato manan-kery 60.824 dia manome:
1. INDEPENDANT – MAMANGY Norbert 60.36% (36714)
2. INDEPENDANT – ALAIN Vivier 13.91% (8463)
3. INDEPENDANT – RANDRIAZARA Paul 8.87% (5395)
4. IRD – RAVELOARIVONJY Behavana 8.66% (5266)

Voaantso ho eny amin’ny Primature ny kandidà Jack Sambava. Nilaza izy amin’izao fa marary aloha, dia tsy mbola niala any Sambava.

Faritra Sava – Distrika Antalaha
Mitarika ny kandidà mahaleo-tena Nasira Julien. Ny vokatra avy amin’ny birao 220/221 sy vato manan-kery 35.439 dia manome:
1. INDEPENDANT – NASIRA Julien 30.05% (10648)
2. IRD – RAKOTONDRAMIARANA Jerry 28.94% (10255)
3. INDEPENDANT – FERNAND Eric Sandhy 21.37% (7575)
4. INDEPENDANT – TOMBOZAFY Richard 8.92% (3162)
5. INDEPENDANT – IBRAHIM Dasy 7.55% (2676)

Ny kandidà Nasira Julien no efa aty Antananarivo nanomboka androany.

Ny any Maroantsetra dia torak’izay ihany koa ka voatery miafina @ izao ora izao ny mpiasan’ny radio iray ao @ fm 103, fa ho samborin’ny saka mainty avy aty Antananarivo.

Halabato avo lenta no ampiasain’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany handrobàna ny fahefana eny amin’ny Antenimierampirenena, ka hahatratra ny maro an’isa ny IRD miampy ireo mahaleo tena azo vidimbola toy ny teo aloha. Ka handany lalàna manaraka ireo teti-dratsiny izy ireo, fa tsy hisy velively izany sosialimbahoaka sy demokrasia izany. Fanabotriana ny firenena no setrin’izany. Hamidy atsinjarany amin’ny vahiny ny tany. Badoana ny taranaka. Ho azony ny fahefana mpanatanteraka (pouvoir exécutif) sy ny fahefana mpanao lalàna (pouvoir législatif), dia voageja tanteraka ianao ry vahoaka!