EDITO 1 Jiona – Iles Eparses – Mbola mampandry adrisa ihany Rajoelina

Rajaonarimpanontsana

Naresaka nandritra ny fitsidihana ofisialin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tany Paris Frantsa, fa amin’ny anarany tenany manokana sy ireo 25 tapitrisan’ny vahoaka Malagasy dia manolotra soson-kevitra ny tenany ny hisian’ny Commission Mixte handinihana ny fiaraha-mitantana ny Iles Eparses, izay efa fananan’i Madagasikara, tokony haverina amintsika nanomboka tamin’ny andron’ny fitondran’ny Repoblika Faharoa, nentin’ny filoha teo aloha, ny Amiraly Didier Ratsiraka, niaraka tamin’ny mpahay lalàna Raymond Ranjeva, Arlette Ramaroson, raha tsy hiteny afa tsy ireo isika, izany Iles Eparses izany. Efa tamin’ny taona 1979, izany fanapahan-kevitry ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana(ONU) izany, ho famerenana ireo nosy ireo ho tanintsika indray.

Ny zava-misy ankehitriny dia mbola mitaingina soavaly foana, sady mampiesona sy mampandry adrisa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao , izay marihana fa tsy heviny (Filoham-pirenena) velively ny fangatahan’ny vahoaka Malagasy ireo Nosy kely ireo. Efa hatrany amin’ny filohan’ny Repoblika faharoa, nitohy hatrany fitondran’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, ireo tetik’asa ireo, ary dia mirehaka ny fitondrana ankehitriny fa azony atao, hono, ny hamerina ireo Nosintsika tantanin’ny mpanjanatany Frantsay ireo.

Izy tenany anefa, sady tera-tany Malagasy no tera-tany Frantsay amin’izao fotoana izao, koa sarotra inoana raha zanaka Frantsay no hamerina ny tany eo am-pelan-tananan’ny tompony, izay vahiny mpanjanatany rahateo no hanolotra izany ho an’ny Malagasy. Santionany amin’ireny ny famarotana ny tany, na eto an-drenivohitra io na any faritra manerana an’i Madagasikara. Efa betsaka ny tany lafo , eny hatrany amin’ny fasan-drazana aza.

Koa sahia isika Vahoaka Malagasy hiaro, ny voalohany hiaro ny safidin-tsika , fa indrindra tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo , ary hiaro ny Tanindrazantsika, tsy omena ireo vahiny Mena sofina na Mavo sofina na Lava orona,…