Nanao ny fomba rehetra hampandany ny kandida-panjakàna IRD ny filoha Andry Rajoelina

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety namotsipotsirana ny zavatra rehetra nisy taloha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana ny kandidan’ny TIMK25 tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako I Madagasikara TIM tao Belera.

Nanambara ny kandida Me Hanitra Razafimanantsoa nitondra ny tenin’izy ireo fa nanao ny fomba rehetra hampandany ny kandida-panjakana IRD ny filoha Andry Rajoelina. Nampiasa fahefampanjakana izy tamin’izany mba ahazoan’izy ireo maro an’isa ao amin’ny andrim-panjakàna mpanao lalàna antenimieram-pirenena. Tsy nijoro ho ray amandrenin’ny Malagasy izy tamin’izany. Nisy fiatraikany tamin’ny fifidianana hoy Me Hanitra Razafimanantsoa ny fijoroan’ny filohampirenena niaraka tamin’ny kandida IRD manerana ny faritra maro teto Madagasikara. Tsy izy irery no nijoro tamin’izany fa nampiasa ny fahefam-panjakàna teo ampelatanany izy dia ireo mitazona ny fahefana manomboka any amin’ny farany ambany, ka hatrany ambony. Eo ny fampitahorana sy ny tsindry atao amin’ny mpiasam-panjakàna.

Ankoatra izay, tsy nanao fampielezan-kevitra ny kandida IRD, nefa nahazo vato ambony tao anatin’ny fotoana fohy izy ireo. Efa alentika ao antsain’ny mponina fa mitarika ny kadidam-panjakàna satria ela ny famoahana ny vokatra na dia eto Antananarivo izay akaiky aza. Efa eo ampanangonana ny porofo rehetra ny TIMK25 amin’izao fotoana izao, tsy maintsy hisy ny fitoriana ao anatin’izany. Efa nanaiky resy ny kandida filohampirenena notohananay, fa amin’izao izahay dia tsy hanaiky intsony araka ny efa nambaranay hatramin’izay satria fifidianana akaiky vahoaka ity indray mandeha ity.

FB Arp Helisoa