EDITO 25 Mey – Kandidà tanalahy no betsaka amin’ny IRD

Rajaonarimpanontsana

Mpivadibadika palitao, miovaova antoko no maro an’isa amin’ireo kandida atolotry ny IRD sy ny forongony. Tsy takona afenina izany fa dia ireny hitantsika amin’ny haino aman-jery rehetra ireny. Tao ny efa niaraka tamin’ny fitondrana Repoblika Faharoa, niondana AREMA ary nanambara mihitsy fa tsy misy antoko tsara raha tsy io. Andriamanitra keliny mihitsy ny filoham-pirenena tamin’izany. Nitohy izany tamin’ny fotoanan’ny UNDD, dia lasa any indray ireo kandida ireo. Tonga indray ny TIM dia lasa TIM indray izy avy eo. Ankehitriny dia ny TGV no eo amin’ny fitondrana dia lasa any indray ireo kandida. Iray amin’ireny ny kandidan’ny IRD any Faradofay raha tsy hiteny hafa-tsy io isika. Inona anefa no tena vitan’ireny Kandida Tanalahy ireny nandritra ny naha solombavam-bahoaka azy. Mazava ho azy fa dia ny seza sy ny voninahitra ary ny vola no mahatonga azy ireo hirotsaka ao anatin’io fifidianana io.

Mazava eto fa tsy izay tena fampandrosoana ny firenena no tanjona, tsy hitondra ny tenin’ny vahoaka no mahamaika ireo kandidan’ny IRD ireo. Tsy masaka ara-poto-kevitra fa dia mijapy soavaly sy foza hatrany mba hahazoana tombontsoa isasahana amin’ny mpitondra ny firenena. Ny filoham-pirenena mihitsy izany no tsy manana olona matotra hiara-miasa aminy hanatanteraka ny vina heverina fa hatao. Ilay vina sy velirano rahateo dia TIP-TOP, na asa madinidinika tsy mahamaika ny vahoaka no betsaka. Terrain Synthétique ve no tena ilain’ny vahoaka maika amin’izao fotoana izao. Angaha azo hanina izany?

Ny zavatra tadiavin’ny vahoaka Malagasy dia ny ivoahana haingana ao anatin’ny tsy fisiana sy fahantrana lalina efa mandifotra azy. Miandrandra fandriampahalemana ny Malagasy hahafahany mihary am-pilaminana hamelonany ny ankohonany. Mila fanabeazana sy fahasalamana sahaza azy ny vahoaka ary afaka mampianatra ny zanany tahaka ireo zanaky ny mpitondra ambony. Kandida tsy azo antoka araka izany no mandrafitra ny kandida IRD. Kandida Tanalahy no betsaka ao anatiny.