Fampielezan-kevitra: Mihoa-pefy indray i Andry Rajoelina Andry

Andry Tsiavalona

Andro vitsy sisa dia handatsa-bato ho an’izay tiany hisolovava azy eny amin’ny Antenimierampirenena indray ny Malagasy. Fifidianana efa manomboka manakaiky kokoa ny mponina ity ho tanterahina ity satria na tiana na tsy tiana dia mety tsy misy mijery izay antoko na vondrona na fikambanana nanolotra azy ny mpifidy, fa ilay “tsangan’olona” no homeny ny vato.

Herinandro farany amin’ny fampielezan-kevitra no diavina izao, efatra andro sisa raha ny marina kanefa toa mangingina ihany tsy araka ny vinavinan’ny olona sasany, fa hafanafana tokoa ary mety hisy fifanandrianana mihitsy aza eo amin’ireo mpifaninana. Ny sary no miparitaka sy mipetaka eny rehetra eny, fa ny fandresen-dahatra ny mpifidy amin’ny alàlan’ny famoriana eny an-kianja dia tsy hita loatra. Toa menamenatra izany ireo kandidà, asa mety matahotra ihany koa, angamba, noho ny lasa nitarihana kaserôla be loatra. Ireo antoko roa, azo lazaina fa misongadina, dia ny “isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” sy ny “Rodoben’ny mpanangana” na ny TIM.K25 no samy manao izay ho afany na mifanalavitra be aza ny fomba entina mandresy lahatra ny mpifidy.

Nandritra ny roa herinandro dia tsy nitsahatra nitety ireo distrika misy kandidà TIM ny filohany, Ravalomanana Marc, ary nanolotra azy ireny tamin’ny vahoaka mpifidy. Na ny filohan’ny antoko na ny kandidà ho solombavambahoaka dia samy nanome toky fa tena hiady sy hikatsaka ny fomba rehetra hamolavolàna sy hampandaniana lalàna tena hiaro ny tombontsoa iombonana sy hampandroso ny tsirairay sy ny daholobe eo amin’ny lafiny rehetra. Raha ny fizotry ny fampielezan-kevitr’ity antoko ity aloha dia tsy nisy nibolisatra ary tsy nisy fanitsakitsahana lalàna velona hatreto.

Ho an’ireo nirotsaka amin’ny anaran’ny tenany na mahaleotena dia tsapa fa mangina tsy re tsaika loatra kanefa araka ny efa voalaza etsy ambony dia tsy izay antoko na fikambanana misy ny kandidà no zava-dehibe fa ny lasany na ny tantarany na ny zava-bitany, na dia tsy mpanatanteraka aza izy, teo amin’ny distrika nilatsahany. Tsy azo hafenina tokoa fa misy amin’ireo kandidà no efa hamerina kilasy ka nandritra ny taompiasana lasa dia zara raha nihelina tany amin’ny toerana nahalany azy.

Ny tena misongadina amin’izao fampielezan-kevitra izao dia ny ataon’ny “isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina”, ny fanitsakitsahana ny lalàna velona ataon’ny filohan’ny Repoblika mihitsy. Izao tokoa no manamarina fa sarotra ho an’ny olona iray ny manova ny toetrany ary efa nizotra tamin’ ”iny làlan’iny” ka dia mankany mankany foana na hitondra any an-kady aza. Sarotra tokoa iny làlan’iny kanefa dia tafita ny dimy taona. Efa voasakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny fikasana hanao fitsapankevi-bahoaka dia izao manao fampielezan-kevitra miaraka amin’ny kandidàny izao izy. Na tiana na tsy tiana dia fampielezan-kevitra no ataon-dRajoelina Andry amin’izao herinandro farany izao. Tsy fantatra intsony fa toa tia maka tahaka ny ataon’ny hafa ity filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ity satria ny fisehoany no samy hafa fa dia izay ataon-dRavalomanana Marc no ataony kanefa ny sata mifehy azy roalahy tsy mitovy.

Ny mampametram-panontaniana ny maro dia izay ho fandraisana andraikitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana, satria dia izao fihetsiky ny filohan’ny Repoblika izao no azo lazaina fa “tratra ambody omby” manitsakitsaka ny Lalàmpanorenana, izay izy no isan’ny namolavola azy na dia somary nalain-tahaka tamin’ny an’ny firenen-kafa koa aza. Tsy hiandrasana fitorian’ny kandidà mpifaninana amin’ny an-dRajoelina Andry izany, fa toy ireny mpitandro filaminana mahatratra ambody omby mpangalatra ireny, tonga dia misambotra fa tsy mila fitorian’ny olona norobaina izay ho vavolombelona ihany sisa. Fahaizana manokan’ireto andrim-panjakana roa ireto moa ny miala ilany koa,… miandry fa gasy e!