Nanenina sahady ireo vahoaka nifidy an’i Andry Rajoelina

Helisoa

Vao tsy maina akory ny ravina nihinanana dia efa hita taratra manerana ny fiaraha-monina eto Madagasikara, fa manenina sahady ireo olona nametraka ny fitokisany tamin’ny TGV izay nilaza fa hoe hitondra an’i Madagasikara ho any amin’ny fiainana milamina. Natao daholo izao fampanantenana poak’aty rehetra izao, nampanofisina IEM, fa raha vao tonga eo amin’ny fitondràna dia hiraraka ny vola hanatanterahana io vina nodradradraina io. Isika Malagasy moa mora rebirebena, hany ka nandaitra ny tetik’i Andry Rajoelina filoha napetraky ny CENI sy ny HCC, dia io izy lasa filohampirenena io.

Vao nandeha ny fanendrena governemanta dia efa kivy ireo mpanaraka mafana fo ny TGV satria olona tsy niaraka nitolona taminy, fa nafarana avy any an-dafy ny maro tamin’izy ireo. Tsy misy fifandanjana isam-paritra ny firafitry ny governemanta, fa mibahana ny avy eto afovoan-tany. Mitsangana ny governemanta, misavoritaka tanteraka satria tsy hita intsony izay lohany sy vodiny, fa izay be vava ihany no miseho fahitalavitra sy miteny amin’ny onjam-peo mitondra ny tenin’ny governemanta, ny sisa mangina na dia andraikiny aza ny manazava amin’ny vahoaka ny zavamisy. Mikatso ny asa any amin’ny ministera satria miandry fanendrena ireo tale vaovao, na lehiben’ny sampan-draharaha vaovao. Ny any amin’ireo ministera izay lasa nirotsaka depiote ny ministra, fa ministra mpisolo toerana no manatanteraka ny asa, tsy misy mandeha toy izany koa ny asa, toy ny fiandrasana ny sonian’ny ministra amin’ny taratasy ara-panjakana samihafa. Nalefa ny fiantsoana ny mpifidy hanao fitsapankevi-bahoaka mikasika ny fanovàna ny andininy sasantsasany ao amin’ny lalampanorenana hoe atao miara-dalana amin’ny fifidianana depiote ny 27 mey izao. Raha ny tokony ho izy dia ny minisitry ny atitany no tokony hanazava ny vahoaka mikasika izany. Tsy izay anefa no zavatra hita fa ilay minisitry ny serasera no sady Praiminisitra no minisitry ny atitany. Nalefa tamin’ny onjampeo ny dokambarotra mikasika ny fitsapankevibahoaka, nampiasaina ny haino amanjerin’ny mpitondra, kanjo fahafaham-baraka no nisy satria nolavin’ny HCC ilay fiantsoana ny vahoaka hifidy lalampanorenana. Izay ilay hoe, misavoritaka tanteraka ny fomba itondràna ny fanjakàna.

Manaraka izany, ny vola nodradradradraina fa hitobaka be amin’ilay IEM ity tsy hita popoka. Ny zava-bitan’ny fitondràna teo aloha indray no hideraderàna fa zavabitan’ny fitondràna TGV. Heverin’ireto farany angamba fa dondrona ny vahoaka Malagasy, efa miova ny zava-drehetra noho ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana. Hafa ny taloha tsy misy hafa-tsy RNM sy TVM miborosy fanjakàna fotsiny. Hananan’ny vahoaka porofo daholo ny zavatra miseho eto amin’ny firenena fa tsy misy dondrona sy vendrana azo ambakaina intsony eto. Ankoatra izay, nodradradradraina ny lafiny fandriampahalemana, nampisehoana teny amin’ny CCI Ivato ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ho ampiasain’ny tafika Malagasy hoe hamongorana ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena hono! Efa ho 5 volana izao no nitondra ny firenena ny filoha Rajoelina Andry fa tena mbola mikaikaika ny olona amin’io lafiny tsy fandriampahalemana io, indrindra ny eny ambanivohitra. Miezaka aloha ny mpitandro filaminana araka izay vitany sy efa nataony tamin’ireo fitondràna nifanesisesy teo aloha ihany. Fa raha ny hoe misy zava-baovao dia mbola tsy misy aloha hatreto. Ny angidim-by izay nireharehàna fatratra aza mbola mahabe resaka aloha hatreto.

Farany, ireo mpitolona niaraka nitondra ny mafy tamin’i Andry Rajoelina dia atao anjorom-bala fa tsy mahazo avara-patana ao an-dapa intsony. Aiza re ny fanambatambazana azy ireo tamin’ny fampielezan-kevitra e! izao tratry ny teny maharary. Tsy takona hafenina intsony ny fimenomenonana fa efa mibaribary, mbola ho ela ny 5 taona fa miandrasa aloha an’i Paoly fa ny azy efa azony izay nilainy e! efa mpitondra izy izao, dia eo ianareo nifidy azy miandry ny nofinofy nampanatenanin’i Andry Rajoelina filoha napetraky ny HCC sy ny CENI, mpanongam-panjakana ary mbola ho voaongana koa!