Fandehan’ny vidin-tsolika mandra-pahatonga eny amin’ny mpanjifa

3550 ar ny vidin’ny iray litatra amin’ny gasoil, 2400 ar ny litatra ny lasantsy, 2630 ar ny litatra ny solika fandrehatra. Miovaova hatrany ny vidin’ny solika manerana izao tontolo izao ka singa efatra no iankinan’izay fiovaovan’ny vidin-tsolika izay: voalohany, ny vidin’ny solika tonga eny amin’ny seranan-tsambo; faharoa, ny fitanterana sy ny vola lany amin’ny fitahirizana ny solika; fahatelo, ny tombony alain’ny mpanjara ary farany ny hetra.

Koa satria vidina amin’ny dolara ihany koa ny solika, dia miovaova araka ny sandan’ny ariary arak’izany ny vidin’ny solika eto amintsika.
Miankina amin’ny vidin’ny baril any ivelany sy ny sandam-bola ihany koa arak’izany ny vidin’ny solika tonga eny amin’ny seranan-tsambo: 1741 ar no vidin’ny litatra ny gasoil alaina any ivelany, 1747 ar ny solika fandrehatra ary 1631 ar ny lasantsy.

Samihafa koa ny saran’ny fitanterana ny solika manketo amintsika: 232 ar ny gasoil, 200 ar ny solika fandrehatra, 190 ar ny litatry ny lasantsy.

Tsara ihany koa ny manamarika fa ny vidin’ny solika roa volana lasa no mamaritra vidin’ny solika amin’izao, izany hoe ny vidin’ny solika tamin’ny volana martsa no mihatra eto amintsika amin’izao volana mey izao.

Singa iankinan’ny solika koa ny fitanterana sy ny fitahirizana. Miainga izany amin’ny fitanterana avy amin’ny seranantsambon’i Toamasina ary koa ny anjaran’ny Logistique Pétrolière amin’ny fitahirizana azy.

Singa fahatelo ny tombony alain’ny mpanjara izay mitentina 433 ar isaky ny litatra amin’ny solika rehetra. Ity tombony alain’ny mpanjara ity dia anisan’ny mampidangana koa ny vidin’ny solika eto amintsika. Tombony alain’ny mpanjara madinika kosa na ny station de service dia 34,37 ar isaky ny litatra amin’ny karazana solika rehetra.

Singa farany mamaritra ny vidin’ny solika iahny koa, ny hetra izay mamaritra eo amin’ny 23%’ny vidin’ny solika.

(Jessica Mireille sy Matthieu Princy, MBS, 13 Mey 2019)