MPAMADIKA PALITAO

Fernand Jeannot - mpamadika palitao

Misy olom-bitsivitsy, aza fady ange tazano,
Tena miavaka mihitsy f’efa zatra milomano.
Nony misy fitondrana azoazony jonoina,
Dia ventesiny ny “hosana”, “izay mahery no tompoina”.

Dia mirotsaka tokoa mba ho mpanohana ikoizana,
Fa mahazo tombontsoa ka dia tsy mahalala vizana.
Dia nafoiny ilay antokony sy ny mpiaraka mitolona.
Niova tampoka ny lokony, (foana teo ny henatra olona!)

Nohadinoiny ireo vahoaka lanaky ny fahantrany,
Fa ny azy “ny kapoaka”, io no maminy eto an-tany.
Hiakatra eny Tsimbazaza, izay no tena foto-keviny,
Ary ho depiote malaza f’efa izay no revireviny.

Hay ny zavatra kendreny sady tena tarigetrany:
Hampitombo ny hareny sy hameno ny poketrany.
Ary indrisy fa dia vitany ny nanao ny tsy fanao,
Ka hany lalana mba hitany ny namadi-palitao !

SEDERA RAVALISON (13-05-19)