Nomen’ny HCC lesona ny senatera Fernand Jeannot

Rajo

Nomen’ny HCC lesona tsara mihitsy ny mpanao pôlitika mpamadika palitao toa an’i Fernand Jeannot izay senatera natolotry ny TIM avy amin’ny distrikan’Ambato Boeny, nefa lasa kandidan’ny IRD miaraka amin’i Andry Rajoelina.

Nandraisan’ny Fitsaràna avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) fanapahan-kevitra mantsy ny fanesorana azy tsy ho senatera intsony ary ny lisitra faharoa miakatra misolo toerana azy eny anivon’ny Antenimierandoholona rehefa nametraka fitoriana ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao.

Kandida depioten’ny IRD any Ambato Boeny i Fernand Jeannot ankehitriny ary mihevitra ny ho lany satria miara-dia amin’ny mpandoa-bary hono. Fantatry ny vahoaka any an-toerana anefa io famadihana palitao nataon’i Fernand Jeannot io, ka sarotra inoana ny hahalany azy ho solombavambahoaka amin’ny 27 Mey ho avy izao.

Andrasana arak’izany izay ho vokatry ny fifidianana, fa mety tamin’ny mpanao pôlitka sy ny mpanara-baovao ny famaizana mpamadika palitao toa ireny satria tsy mahita hafa-sy izay mety aminy ihany na dia anisan’ny nitokisan’ny filoha Marc Ravalomanana aza ingahy Fernand Jeannot.