EDITO 16 Mey – 19 mey: ho feno 90 taona no niantsoantson’ny Malagasy voalohany ny fahaleovantena

Radafy

Manamarika ity volana mey ity ny datin’andro samihafa izay manan-tantara eto amin’ny firenena. Lasa iny, ohatra, ny datin’ny 13 Mey ary niaraha-nahita ny fanamarihana azy. Mbola ho avy kosa ny 19 Mey izay andro manan-tantara lehibe ihany koa eto amin’ny firenena ary tsy tokony hodinganina fotsiny raha tena haneho ny fitiavan-tanindrazana marina isika sy indrindra ity fitondrana midedaka ho tia tanindrazana ity.

Ny datin’ny 19 Mey 1929, tamin’io andro io, tao anaty fanjanahantany lalina ny firenena Malagasy, no nidina an-dalambe ary sahy voalohany niantsoantso sy nihiaka mafy ny fahaleovantena. Fotoana indrindra io nitarihan’i Jean Ralaimongo sy ny namany ny hetsika famelabelaran-kevitra teo amin’ny trano fandefasana sarimihetsika Excelsior, izay lasa Cinéma Ritz taty aoriana. Tamin’izany no nisian’ny vazaha nanambany ny Malagasy miohatra amin’ny amboa na alika, satria ny Malagasy vahoaka olon-tsotra tsy tafiditra, fa ilay alika nentin’ilay vazaha tafiditra. Frantsay mpanjanatany tsy niahotra nanambany ny Malagasy tao anaty fanjanahantany. Tantara tsy fanadino izany, ary ilaina fohazina ny tantara satria nisy Malagasy teto saro-piaro mafy tamin’ny taniny sy ny tanindrazany.

Mbola misy izany ankehitriny ary na sarotra aza ny fanehoana izany amin’ny tena tokony ho izy tokoa, na dia ambolena arofanina na sakantsakanana hatrany izany ao anatin’izao fanjanahantany amin’ny endriny vaovao izao. Ho feno 90 taona araka izany no niantsoantson’ny Malagasy ny fahaleovantena. Ny tao am-pony sy ny tao an-tsaina no navoakany ho fantatry ny mpanjanatany frantsay. Ny taranaka ankehitriny, hatraiza ny fanohizana izay antso izay satria tsy mbola afa-bela ny firenena Malagasy, fa fahaleovantena amin’ny ampahany ihany no azo. Sa ny taranaka ankehitriny, ilay sanatriavina ho tia kely, ka rehefa mahazo izay iainany ankehitriny izao dia mora mangina? Ho very tokoa anefa ity firenena ity any aoriana raha ho toy izany sanatria ny fomba fisainany.