Fifidianana depiote – Mihoatra ny 400 ny kandidà nandika lalàna

Fampielezan-kevitra : ny toky fitaka, fa ny atao no ho hita

Andry Tsiavalona

Herinandro izay no nanomboka ny fampielezan-kevitr’ireo kandidà 810 manerana an’i Madagasikara ho solombavambahoaka. Tsy fantatra raha mba misy afaka manao izany ho an’ireo izay voatazona any am-ponja amin’izao fotoana izao. Tsy izay angamba no tena olana fa raha handany vola hanao fampielezan-kevitra kanefa rehefa hivoaka ny didim-pitsarana ka voaheloka dia ho toy ny gisa lahy nitety asa: ny tratra mangana, ny hanina tsy azo. Ho an’ireo afaka manao fampielezan-kevitra indray dia efa betsaka sahady ny fandikan-dalàna ataon’ny kandidà sansantsasany, ka efa nampitandrina ny ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana kanefa araka ny efa fantatra dia tsy afaka manasazy ity andrim-panjakana ity fa ny mametraka fitoriana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no azony atao, ka any amin’ny famoahana ny voka-pifidianana amin’ny fomba ofisialy vao ho fantatr’izay nandika lalàna ny fiantraikan’ny nataony. Ny zava-doza dia tsy afaka hiaro tena intsony izay tratra satria didy “tsy azo ivalozana” (araka ny satany) no havoakan’ny Fitsarana avo momba ny  lalàmpanorenana. Nanamarika ity rafitra ity, fa efa mihoatra ny efajato (400) ireo
kandidà nandika lalàna amin’izao fotoana izao.

Ny zavatra hita sady mahabe resaka aloha dia ny ataon’ireo kandidà miaraka amin’ny
filohan’ny Repoblika. Efa neken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny hampiasana ny anaran’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fampielezan-kevitra, ka dia tsy azo ivalozana izany. Ny tokony ho fantatra anefa dia mety tsy araka izay noeritreretina ny
vokatra ho azo. Mety mbola izay mifanohitra amin’ny tanjona no hitranga satria tsy tafapetraka ny manampahefana, mpandidy, mpanapaka, any amin’ny faritra noheverina hanatanteraka ny fifidianana (governora). Ny zato andro koa tsy nisy vokatra mivaingana azo notsapain-tànana fa dia lasa fampielezan-kevitra indray. Ny hita sy re amin’izao fotoana izao dia ny gaboraraka amin’ny fametahana afisy, indrindra eto an-drenivohitra. Ireny afisy ireny no miteny, araka ny fiheveran’ny kandidà azy, kanefa toa tsy mampiraika sy tsy mahasarika ny vahoaka amin’ny ankapobeny.

Amin’ny ankapobeny dia efa samy manana ny olona ho fidiany, ao an-tsainy ao, ny tsirairay ka ho zary lasa fandaniam-bola amin’ny tsy antony ny fanaovana fampielezan-kevitra. Ny sary sy ny laharana no hita misongadina fa tsy mametraka ho fantatry ny mpifidy izay vina sy ny andraikiny ary ny fomba hanatanterahany izany ny kandidà. Tsy ny hatsaran-tarehy, na ny tsikitsiky, na ny fahaiza-mianjaika no hisafidianana, fa rehefa tsy nitarika kaserôla sy tsy nanao ratsy teo amin’ny fiarahamonina dia mety hahazo vato. Tsy hiatsampy amin’ny
hazo tsy fantatra koa anefa ny mpifidy satria ny ratsy tsy misy tandroka.

Raha fintinina dia tsy ny fahafahana manolotolotra na ny fahaizana mampandry adrisa, na ny fanarahana an’izatsy na izaroa no haharesy lahatra ny mpifidy handatsa-bato ho an’ny tena satria efa voaporofo hatramin’izay, eo amin’ny sehatra politika, fa izay miaraka  amin’ny amboalambo dia amboalambo.