TIAKO I MADAGASIKARA

Tiako i Madagasikara, tena tiako.
Aminao no hiafarako sy hodiako.
Ny hanondrotra anao no laza tsarako.
Tena tiako ianao ry Madagasikarako.

Ny mandroso no anareo re ry mpandrava,
K’aza mbola matin-kambo sy avo vava.
Ny miverina, anay, tsarovy tsara
F’izahay no tena ho tompon’ny amboara.

Mijoroa ry Malagasy ka sahia,
Fa ny Tompo no mitantana ny dia.
Ny firenena tena miandry manantena,
Azontsika fa inoy ny fandresena.

Solombava TIAKO I MADAGASIKARA:
Azo antoka hanova ny tantara.
Voatsodranon’ny filoha Ravalomanana
Koa fidio f’ireo no mendrika hotohanana.

DADAN’I ZINA (06-05-19)