EDITO 14 Mey – Fanamarihana ny 13 Mey : toa ampangatsiahan’ny mpitondra araka izay azo atao

Sôh’son

Feno 47 taona izao ny tsingerin-taonan’ny 13 Mey 1972. Taorian’io maro ny zava-nitranga nandalo teo amin’io toerana na kianjan’ny 13 Mey Analakely io. Samy nanana ny firehan-keviny, na mpanao fihetsiketsehana, na ny teo anivon’ny prefektioran’Antananarivo ary indrindra ny fitondrana nifandimby tao anatin’izay taona maro izay. Ny tsapa sy tsikaritra rehefa dinihina ny vanim-potoana samihafa nolalovan’ny tsingerin-taonan’ny 13 Mey dia niha-matroka ilay hetsi-panoherana mivaivay natomboky ny mpianatry ny anjerimanontolo avara-pianarana nanilihana ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao, niezaka namahatra teto amin’ny firenena. Tsy lavina, mety ho nisy antony hafa tamin’ny hetsika fa ny ifotony dia izay.

Firenena iray aty Afrika hiavaka amin’ireo firenena afrikana nozanahin’i Frantsa, ka tsy anisany voafatotry ny “néocolonialisme” sy “accord de coopération” ve i Madagasikara tamin’izany? Tsia avy hatrany ny valiny, fa niaraha-nahita na re sy voarakitra ara-tantara ny zava-nisy teto. Niaraha-nahafantatra tsara ireo olona nandrafitra ny fitondrana repoblika voalohany, eny na ny fomba nahatongavana tamin’ny famerenana ny fahaleovantena aza. Io no niteraka ny hetsi-bahoaka, zatovo sy tanora Malagasy nihetsika tamin’io andro manan-tantara io. Tsy azo odian-tsy hita na dinganina araka izany io andro io. Ny hita anefa dia tsy mbola nahitana fitondrana teto nanome hasina sy nametraka tamin’ny toerany tokony hisy azy io andro io. Toa zary nivily aza ny fomba fisainana rehefa hoe hetsika atao eny amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Ny fitondrana mihitsy no manahirana ao anatiny satria raha atao mahitsy ny filaza azy dia fitondrana tsy mivaky loha amin’izay hetsi-bahoaka tamin’ny 13 Mey 1972 izany izy. Raha manome alalana aza dia tsy ny fitondrana mivantana no miteny eo fa ny eny anivon’ny prefektiora, fa nahoana?

Misy ifandraisany ihany anefa ny tolona tamin’ny 1947 sy ny 13 mey 1972, fa tsy tongatonga ho azy akory. Ny anton’izany, navily ny fomba fisainana fototry ny anton’ny nisian’ny 13 Mey tany am-piandohana, fa ilay zava-nisy taty aoriana hatrany sisa no hitany sy milentika ao an-dohan’ny mpitondra. Hany ka atao omeko tsy omeko izany ny fanomezan-dalana izay vahoaka na antokon’olona te-hankeny hanamarika azy. Ho very momoka ny tolona nanaovan’ny mpianatra Malagasy sorona, nandatsahany ny ràny sy ny ainy tamin’ireny andro ireny afaka taona vitsy raha izao no mitohy. Ny zava-misy ankehitriny, fanamarihana miendrika atao alasafay ho an’ny mpitondra fa tsy misy ny fanehoana mazava ny firaisam-po sy firaisan-kina marina hampiaraka ny vahoaka hahatsiaro izany andro izany. Tsy fahaizana mitondra vahoaka mba hiaraka hiroso ao anaty lalana iray ho amin’ny fitiavan-tanindrazana izany.