Fitondran-Rajoelina malama vava, fikasàna no betsaka, tsy hita izay ampiarina!

Efa nanomboka tany amin’ny tetezamita no nisondrotra ho 15000 ariary ny sara aloan’ny mpiadina baccalaureat. Ny CEPE sy BEPC koa dia nanomboka nandoavam-bola ho an’ireo mpiadina amin’izany fanadinana izany. Raha vao nandray ny asany ny minisitry ny fampianarana ambaratonga faharoa tamin’izao fitondran-dRajoelina izao dia nilaza fa tsy mandoa vola ny mpiadina CEPE sy BEPC. Izy moa niala nony avy eo fa ny ho solombavambahoaka no nahamay azy. Mbola azo tanana amin’ny teniny ve izy? Lasa natambatra amin’ny fampianarana ambaratonga ambony ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga faharoa. Tsy misy fitohizany ve ny asa sa tena tsy maharaka ny minisitra ankehitriny noho ny fidadasik’izany minisitera roa natambatra ho iray izany?

Tsy izany mantsy ny mitranga ankehitriny fa dia mandoa vola daholo ny mpiadina CEPE sy BEPC ary eo anelanelan’ny 1000 ariary ka hatramin’ny 3000 ariary izany arakaraky ny tapaky ny talen’ny CEG izay hiadinan’ilay mpiadina. Vao hiatrika ny fizaham-pahasalamana (visite medicale) any amin’ny CSB2 ny mpianatra dia efa voataky vola. Avy eo dia mandoa ireo sara voalaza eo ambony ireo. Niteniteny foana ve ny minisitra tamin’ireny fotoana ireny raha nilaza fa tsy mandoa vola ny mpiadina, sa tsy fantany akory ny toe-bolan’ny minisitera raha vao nandray ny andraikiny izy? Sa ny talen’ny CEG no tsy azo fehezina ka manao izay tiany hatao? Nahoana no tsy mitovy ny sara aloan’ny mpiadina ary iza no mametra ireo vola ireo.

Ny talen’ny CEG sendra tafaresaka taminay dia nanamafy fa sarotra izany tsy handoavan’ny mpiadina vola izany satria ny vola voaangona no iatrehana ny fandaniana rehetra, ny karama omena ny zandary amin’ny fiarovana sy fitaterana ny lazaadina sns …. Ka dia tsy maintsy ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana ve no tsy maintsy miantsoroka ny lany amin’izany?

Raha fehezina izany dia fisehosehoana ivelany fotsiny no ataon’izao fitondrana izao fa hay dia mandoa vola ihany ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana. Ka maninona raha mangina tsy miteny ny minisitra sy ny tompon’andraikitra fa manjary mamitaka sy mandiso fanantenana ny vahoaka?

Tahaka izany koa izao ity hoe karama farany ambany nambaran’ny filoham-panjakana ity hoe hatao 2 hetsy ariary. Mbola faniriany hidedahany sy hanatsarany tena imason’ny vahoaka madinika fotsiny ve io sa efa nisy ny resaka nifanaovany tamin’ny tompon’ny orinasa rehetra eto Madagasikara? Tsy ny filoha mantsy no handoa ny karama fa ny tompon’ny orinasa. Raha vao nandre io tarehimarika 2 hetsy ariary io mantsy ny rehetra dia efa mihevitra fa ampiharina avy hatrany satria tenin’ny filoha. Vao fikasana sy faniriana anefa izany fa mba aiza ny fepetra hiarovana ireo orinasa eto an-toerana mba hiroboroboany ka hahafahany mametraka ny mari-karama ho 2 hetsy ariary ny farany ambany? Voaaro ve izy ireo amin’ny fitobahan’ny entana samihafa avy any ivelany izay tena hita ankehitriny fa manapotika tanteraka ny orinasa eto an-toerana?

Aoka hosarahina miavaka tsara ny atao hoe “fikasana” sy ny “efa tena ampiharina” fa manjary mampikorontan-tsaina ny vahoaka fotsiny.

NY VALOSOA