MANDIDY DIA HOMANA ?

Fankatoavana tsy azo dia antsapaka no atao?
Izy ity ve resa-jaza na koa tena kilalao
Fa mahakivikivy ihany raha dia hoe mpahay lalàna
No minia tsy mankatò ny dingan’ny fifanajana!

Efa zatra ny letrezana, efa zatra ny bontolo
Ka tsy miandry fankatoavana f’avy dia mamono lolo?
Dia mampiantso sy mamory sady mampanao antsapaka
Na tsy mbola fantatra aza, inona no tena tapaka?

Efa zatra ny mandidy sady homana avy hatrany
Ka dia tsy miraharaha fa tena hoe “izay tiako ihany”?
Izany ve no mbola ekena hitantana ny fifidianana?
Sao vao mainka hamboly olana sy hampisy fikitranana?

Olona tsy mitanila no ilaina ankehitriny,
Ka hanao izay tsy hiverenana amin’”iny lalana iny”.
Olo-marina sy hendry, maka ambony maka ambany,
Saingy moa eto amintsika, misy ve ny toy izany?

DADAN’i ZINA (27-04-19)