Ambohijatovo – Sabotsy 4 Mey – 11 ora – Fanolorana ofisialy ny kandidà depiote TIM miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana

Ho fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo kandidà depiote avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara dia hisy fanompoam-pivavahana lehibe ny Sabotsy 4 Mey izao manomboka amin’ny 11 ora eo amin’ny Kianjan’Ambohijatovo.

Ho avy ny filohan’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana hitsodrano ireo kandidà nametrahany ny safidy hitondra ny anaran’ny antoko ary hanatanteraka ny fanamby eny amin’ny antenimieram-pirenena.

Asaina isika rehetra ho tonga maro. Andao hifanohana.