EDITO 25 Aprily – Fitsapankevibahoaka hatao amboletra manitsakitsaka lalampanorenana

Rajaonarimpanontsana

Mitohy ihany ny tsy fanarahana sy ny fanitsahana ny Lalàmpanorenana ary atambatra indray, hono, ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fitsapankevibahoaka na ny Référendum, hanitsiana ny andininy ao anatin’ny Lalàmpanorenana, na fanovana mihitsy no kasain’ny mpitondra hatao. Ny zavatra tokony ho fantatra anefa dia izany fanovàna, na fanitsiana Lalàm-panorenana izany, tsy kilalaon-jaza na atao tandrametaka fa tsy maintsy hakana ny hevitry ny olona isan-tsokajiny. Izany hoe, mila dinihina amin’ny antsipiriany ary alaina avokoa ny hevitry ny manam-pahaizana, fa indrindra ireo ara-politika, na fiarahamonim-pirenena na sosialy, na ara-drazana,… Fahotana mahafaty eo anatrehan’ny lalàna ny fanaovana tsinontsinona ireo Herivelona rehetra ireo. Noho izany mandika lalàna tsotra izao indray ny filoha Andry Rajoelina.

Tsaroan’ny vahoaka maro ny nananganany ny Repoblika faha-4 izay narafitra amin’ny tenany manokana nandritra ny Tetezamita. Mitohy indray izany ankehitriny ary amboariny araka izay maha-mety azy. Ny tena manahirana ny mpanara-baovao dia ingahy Andry Rajoelina ihany no mitsipaka ny Lalàm-panorenana faha-4 naoriny. Mazava ankehitriny fa izao vao fantatry ny filoham-pirenena fa nanaotao foana ny tenany nanorina io Lalàm-panorenana sadasada io. Rehefa manao fianianana ny filoham-pirenena dia manambara ampahibemaso fa hanaja toy ny anakandriamaso ny Lalàm-panorenana.

Tsy azo atao ny manao amboletra ny fahefana eo am-pelatanana rehefa mitondra firenena. Manaraka dia mila fotoana ny fanaikana ny olona hifidy fitsapankevibahoaka fa tsy atao terivaimanta tahaka izao. Izao no midika fa fanitsahana ankitsirano ny Lalàmpanorenana ary manao zinona ny vahoaka tsy miteny ny fitondrana misy ankehitriny.